2Tantara 16 - Malagasy Catholic Bible

(Jereo 1Mpa 15,16-22)

1Tamin’ny taona faha-36 nanjakan’i Asà dia niakatra hamely an’i Jodà, i Baasà mpanjakan’i Israely, ka naoriny i Ramà mba hisakana ny olon’i Asà tsy hahazo mivoaka sy miditra.

2Dia namoaka volafotsy sy volamena tao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka i Asà, ka nandefa iraka ho any amin’i Ben-Hadada, mpanjakan’i Siria, izay nonina tany Damasa, hilaza hoe:

3«Aoka hisy fanekem-pihavanana amiko sy aminao, toy ny tamin-drainao sy tamin’ikaky. Mampanatitra volafotsy sy volamena ho anao aho. Ary ianao kosa, andeha tsoahy ny fanekenao amin’i Baasà, mpanjakan’i Israely, mba hialany amiko.»

4Nohenoin’i Ben-Hadada, i Asà mpanjaka, ka nirahiny hamely ny tanànan’i Israely ny filohan’ny tafiny, dia noreseny i Ahiôna sy i Dana ary i Abela-Maima mbamin’ny tanàna fitahirizana rehetra teo amin’i Neftalì.

5Nony nandre izany i Baasà dia natsahany ny fanorenana an’i Ramà, ary najanony ny asany.

6Ka nalain’i Asà i Jodà rehetra, dia nentin’izy ireo ny vato aman-kazo, nanorenan’i Baasà an’i Ramà, dia nanorenany an’i Gabaà sy i Masfà.

7Tamin’izany andro izany no nahatongavan’i Hananì mpahita, tao amin’i Asà, mpanjakan’i Jodà, nilaza taminy hoe: «Noho ianao niankina tamin’ny mpanjakan’i Siria, fa tsy tamin’i Iaveh Andriamanitrao, noho izany dia afa-mandositra ny tananao ny tafiky ny mpanjakan’i Siria.

8Moa ny Etiôpianina sy ny Libianina va tsy mba tafika lehibe, nisy kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly maro be? Nefa noho ianao niankina tamin’i Iaveh dia natolony teo an-tananao ireny.

9Fa mitetitety ny tany rehetra ny mason’i Iaveh mba hanohanany an’izay miraiki-po aminy tokoa. Ka nanao toy ny adala ianao tamin’io raharaha io, fa amin’ny sisa dia hanana ady ianao.»

10Tezitra tamin’ilay mpahita i Asà ka nasainy natao an-tranomaizina io, fa tezitra tamin’io izy, noho ny tenin’io. Nisy olona sasany tamin’ny vahoaka koa nampahorin’i Asà tamin’izany andro izany indrindra.

Ny niafaran’ny nanjakan’i Asà(Jereo 1Mpa 15,23-24)

11Ary indro fa ny asan’i Asà, na ny voalohany na ny farany dia voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’i Jodà sy i Israely.

12Tamin’ny taona faha-39 nanjakan’i Asà, narary tongotra izy, ary tsaroany naharary azy mafy izany. Tsy i Iaveh anefa no notadiaviny, na dia tamin’izany aretiny izany aza, fa ny mpanao fanafody.

13Dia nody mandry any amin’ny razany i Asà; ary tamin’ny taona faha-41 nanjakany no nahafatesany.

14Nalevina tao amin’ny fasana nolavahany ho an’ny tenany, ao an-tanànan’i Davida izy; ary nampandriana tamin’ny farafara nofenoina zava-manitra sy zava-tsara fofona voavoatra araka ny fahaizan’ny mpahay zava-manitra, ary be dia be no zava-manitra nodorana koa.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help