1Piera 4 - Malagasy Catholic Bible

1Koa noho i Kristy efa nijaly tamin’ny nofo ho antsika àry, dia raiso hofidina izao hevitra izao: izay nijaly tamin’ny nofo dia nitsahatra tamin’ny ota.

2mba tsy handaniany ny andro sisa hiainany amin’ny nofo, araka ny danin’ny kibon’olombelona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra.

3Ampy ny nanarahanareo ny fanaon’ny Jentily fahizany, izay nanarananareo fo tamin’ny fitondran-tena ratsy, fanirian-dratsy, fimamoana, fihinanana amam-pisotro tafahoatra, ary ny fanompoan-tsampy mahameloka indrindra.

4Gaga izy ireo izao, fa tsy miara-manaram-po aminy amin’ny ratsy ianareo, ka manozona no ataony.

5Nefa hampamoahin’Ilay vonon-kitsara ny velona sy ny maty izy.

6Fa izany no nitoriana ny Evanjely tamin’ny maty koa, dia mba ho velona araka an’Andriamanitra izy amin’ny fanahy, rehefa notsaraina araka ny fomban’ny olona amin’ny nofo.

Efa akaiky ny farandro

7Ary efa akaiky ny faran’ny zavatra rehetra, ka hendre, mahonòna tena mba ho afa-mivavaka.

8Fa indrindra indrindra, mifankatiava fatratra, fa ny fitiavana manarona fahotana maro.

9Mifampiantranoa, ka aza asiana monjomonjo.

10Mifanompoa manaraka ny fanomezam-pahasoavana noraisinareo avy, fa samy manana ny soa nomen’Andriamanitra azy avy, ka mahaiza mizara tsara.

11Izay miteny aoka ho toy ny milaza ny tenin’Andriamanitra; izay manana fandraharahana, aoka ho toy ny omban’Andriamanitra fitahiana, mba hankalaza an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, Izay Tompon’ny voninahitra sy ny fahefana mandrakizay mandrakizay. Amen.

Famintinana ny taratasy

12Ry malala, aza gaga amin’izany toa afo nirehitra tao aminareo ka nanjò anareo ho fitsapan-toetra, na mihevitra izany ho zavatra tsy fahita;

13fa mifalia arakaraka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy, mba hanananareo anjara amin’ny fifaliana sy firavoravoana koa, amin’ny andro hisehoan’ny voninahiny.

14Sambatra ianareo raha tevatevaina noho ny Anaran’i Kristy, fa mitoetra ao aminareo ny Fanahin’ny voninahitra sy ny fahefana, dia ny Fanahin’Andriamanitra.

15Aoka tsy hisy mijaly ao aminareo noho izy mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsiriritra fananan’olona;

16fa raha noho izy kristianina kosa no ijaliany, dia aoka tsy ho menatra amin’izany izy, fa vao mainka hanome voninahitra an’Andriamanitra aza, noho izany anarana izany.

17Fa indro tonga ny andro hiantombohan’ny fitsarana amin’ny fianakavian’Andriamanitra, ka raha miantomboka amintsika izany, hanao ahoana kosa no hiafaran’izay tsy mino ny Evanjelin’Andriamanitra?

18Ary raha saika tsy voavonjy ny marina, inona no hanjò ny tsy mivavaka sy ny mpanota?

19Koa izay miaritra fahoriana araka ny sitrapon’Andriamanitra, aoka hanolotra ny fanahiny amin’ny fanaovan-tsoa, ho Azy Mpahary tsy mivadika.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help