1Ny amin’ny taranak’i Aarôna, dia izao no antokony, zanaka lahin’i Aarôna: i Nadaba, i Abiò, i Eleazara sy i Itamara.
2I Nadaba sy i Abiò, maty talohan-drainy, tsy nitera-dahy, ary i Eleazara sy i Itamara nanao ny raharahan’ny fisoronana.
3I Davida, i Sadôka taranak’i Eleazara, sy i Akimeleka taranak’i Itamara, dia nizarazara ny taranak’i Aarôna ho antokotokony arakaraka ny fanompoany.
4Nisy lohany maromaro kokoa noho ny taranak’i Itamara, ny taranak’i Eleazara, ka dia toy izao no nizarana azy: loham-pianakaviana 16 ny tamin’ny taranak’i Eleazara, ary loham-pianakaviana 8 ny tamin’ny taranak’i Itamara.
5Samy natao tamin’ny filokàna ny fizarazarana azy ireo avy, satria na ny tamin’ny taranak’i Eleazara na ny tamin’ny taranak’i Itamara, dia samy nisy filohany momba ny fitoerana masina, sy filohany amin’ny momba an’Andriamanitra.
6I Semeiàsa zanak’i Natanaely mpanoratra, anankiray tamin’ny Levita, no nandatsaka an-tsoratra azy ireo, teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny filohany, teo anatrehan’i Sadôka mpisorona, sy i Akimeleka zanak’i Abiatara, ary teo anatrehan’ny loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny Levita; amin’ny filokana maka fianakaviana iray avy amin’i Eleazara, dia iray avy amin’i Itamara.
7Azon’i Joiariba ny loka voalohany, an’i Jedeià ny faharoa,
8an’i Harima ny fahatelo, an’i Seôrima ny fahefatra,
9an’i Melkià ny fahadimy, an’i Maimàna ny fahenina,
10an’i Akôsa ny fahafito, an’i Abià ny fahavalo,
11an’i Jesoà ny fahasivy, an’i Sekeniaò ny fahafolo,
12an’i Eliasiba ny faha-11, an’i Jakima ny faha-12,
13an’i Hopfà ny faha-13, an’i Isbaaba ny faha-14,
14an’i Belgà ny faha-15, an’i Emera ny faha-16
15an’i Hezira ny faha-17, an’i Afresa ny faha-18,
16an’i Feteià ny faha-19, an’i Hezekiela ny faha-20,
17an’i Jakina ny faha-21, an’i Gamola ny faha-22,
18an’i Dalajao ny faha-23, an’i Maziao ny faha-24.
19Toy izany no antokony nizarazarana azy ireo, araka ny fanompoany, mba ho tonga ao an-tranon’i Iaveh, araka ny fandaharana nomena azy, tamin’ny alalan’i Aarôna, rainy, araka ny didy nomen’i Iaveh Andriamanitr’i Israely azy.
20Izao kosa ny amin’ny filohan’ny Levita sisa: tamin’ny taranak’i Amrama i Sobaela, tamin’ny taranak’i Sobaela i Jehedeià;
21tamin’ny taranak’i Rohobià i Jesiasa filohany;
22tamin’ny Isaarita i Salemôta, tamin’ny taranak’i Salemôta i Jahata.
23Zanaka lahin’i Hebrôna: i Jerià no voalohany, i Amariasa faharoa, i Jahaziela fahatelo, i Jekmaàna fahefatra.
24Zanaka lahin’i Oziela: i Mikà, tamin’ny taranak’i Mikà i Samira.
25Rahalahin’i Mikà: i Jesià, zanak’i Jesià i Zakariasa.
26Zanaka lahin’i Merarỳ: i Moholỳ sy i Mosỳ; zanaka lahin’i Merarỳ tamin’i Oziao zanany: i Saama, i Zakora ary i Hebrỳ.
27Avy amin’i Moholỳ, i Eleazara izay tsy nitera-dahy;
28avy amin’i Kisa, ny zanaka lahin’i Kisa: i Jerameela.
29Zanaka lahin’i Mosỳ: i Moholỳ, i Edera ary i Jerimota.
30Ireo no taranak’i Levỳ, araka ny fianakaviany avy. Izy ireo koa toraka ireo taranak’i Aarôna rahalahiny, dia nanao ny filokàna teo anatrehan’i Davida mpanjaka sy i Sadôka, sy i Akimeleka, mbamin’ireo loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny Levita, dia natao mitovy amin’ny zokiny ela indrindra, ny zandriny vao haingana indrindra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.