1Ny angatahiko voalohany indrindra àry, dia ny hanaovana fivavahana, fangatahana, fifonana, ary fisaorana ho an’ny olona rehetra,
2ho an’ny mpanjaka sy ny manam-pahefana rehetra, mba hiainantsika amim-piadanana sy fandriam-pahalemana, amim-panajana an’Andriamanitra sy fahamaotonana tanteraka.
3Izany no tsara sy ankasitrahina eo imason’Andriamanitra Mpamonjy antsika,
4Izay tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra, sy ny hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina.
5Fa iray monja Andriamanitra, ary iray ihany no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olombelona, dia i Kristy Jesoa tonga olombelona,
6izay nanolotra ny Tenany ho avotry ny olombelona rehetra: zavatra voaambara tamin’ny fotoany izany,
7ary ny hitory izany no nametrahana ahy ho mpitory sy Apôstôly ary ho mpampianatra ny Jentily amin’ny finoana sy ny fahamarinana; milaza ny marina aho, fa tsy mandainga.
8Koa ny lehilahy tiako hivavaka na aiza na aiza, manandra-tanana madio, tsy amim-pahatezerana na tabataban-tsaina.
Ny tokony hataon’ny vehivavy9Toy izany koa ny vehivavy, mitondra fitafiana mendrika, miravaka am-pahamaotonana sy fahendrena; tsy randram-bolo, na volamena, na vato soa, na fitafiana sarobidy no atao,
10fa asa soa araka ny mety amin’ny vehivavy mpivavaka.
11Aoka hangina ny vehivavy raha ampianarina, ka hanaiky tsara;
12fa tsy avelako hampianatra ny vehivavy, na handidy ny lehilahy, fa hangina ihany.
13Satria i Adama no natao voalohany, vao i Eva;
14ary tsy i Adama no voafitaka, fa ny vehivavy voafitaka no tonga nanota;
15nefa hovonjena ihany izy, noho ny fiterahan-jaza, raha tahiny maharitra amin’ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamarinana amam-pahalalana onony.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.