Matio 11 - Malagasy Catholic Bible

IV. MISTERY NY FANJAKAN’NY LANITRAA. FITANTARANA

1Ary rehefa tapitra ny fampianarana nomen’i Jesoa an’ireo mpianany roa ambin’ny folo lahy ireo, dia niala tao Izy, ka nandeha nampianatra sy nitory teny tamin’ny tanàna manodidina rehetra.

Fanontanian’i Joany Batista sy filazan’i Jesoa azy(Jereo Lk 7,18-28)

2Ary nony ren’i Joany tao an-tranomaizina ny nataon’i Kristy, dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy

3hanao aminy hoe: «Ianao va no ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?»

4Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Mandehana ka lazao amin’i Joany izao zavatra renareo sy hitanareo izao:

5mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, sitrana ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, torina amin’ny malahelo ny Evanjely,

6ary sambatra izay tsy tafintohina noho ny amiko.»

7Nony lasa ireo, dia nilaza an’i Joany tamin’ny vahoaka i Jesoa, nanao hoe: Hizaha inona no nalehanareo tany an’efitra? Volotara hetsiketsehin’ny rivotra va?

8Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Lehilahy tsara fitafiana va? Indro any amin’ny tranon’ny mpanjaka izay tsara fitafiana.

9Sa hizaha inona àry no nalehanareo tany? Moa mpaminany va? Eny! hoy Izaho aminareo, ary ambony noho ny mpaminany aza.

10fa Izy no ilay voasoratra hoe:

Indro Aho maniraka ny Anjeliko hialoha anao

sy hamboatra ny lalanao.

11Lazaiko aminareo marina tokoa fa amin’izay natera-behivavy, mbola tsy nisy nitsangana izay lehibe noho i Joany Batista; kanefa izay kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra no lehibe noho izy.

12Ary hatramin’ny andron’i Joany Batista no ho mankatỳ, dia azo an-keriny ny fanjakan’ny lanitra, ka ny mpanao an-keriny no mahazo azy.

13Fa ny Mpaminany rehetra sy ny Lalàna dia naminany hatramin’i Joany,

14ary raha mety mino ianareo, dia izy no ilay Elia ho avy.

15Izay manan-tsofina hihainoana aoka hihaino.

Fitsaràn’i Jesoa ireo mpiara-belona taminy(Jereo Lk 7,31-35)

16Amin’inona no hanoharako ity taranaka ity? Amin’ny ankizy madinika mipetraka eny an-kianja, izay miantso ny namany,

17ka manao hoe: Nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nandòn-tratra ianareo.

18Fa tonga i Joany, tsy nihinana tsy nisotro, nataon’ny olona hoe: Azon’ny demony izy!

19Tonga indray ny Zanak’olona, mihinana sy misotro, lazain’ny olona hoe: Lehilahy lian-kanina io, sady mpisotro divay sy sakaizan’ny Poblikanina mbamin’ny olon-dratsy fiaina rehetra. Fa efa nohamarinin’ny zanany ny Fahendrena.

Mila loza ireo tanàna manamorona ny farihy(Jereo Lk 10,13-15)

20Ary tamin’izay, dia nanomboka niteny mafy ireo tanàna nanaovany fahagagana maro Izy, satria tsy nibebaka ireo,

21ka nataony hoe: «Mila loza ianao, ry Kôrôzaina, ry Betsaida! fa raha izay no tany Tira sy Sidona no natao ny fahagagana natao taminareo, dia efa ho nibebaka ela tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona izy.

22Koa lazaiko aminareo, fa amin’ny andron’ny fitsarana, dia ho moramora kokoa ny hatao amin’i Tira sy i Sidona noho ny hatao aminareo.

23Ary ianao, ry Kafarnaoma, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin’ny afobe ianao fa raha tany Sôdôma no natao ny fahagagana natao tao aminao, dia mbola ho nitsangan-ko tanàna mandraka androany izy.

24Koa dia lazaiko aminao fa ho moramora kokoa ny hatao amin’i Sôdôma amin’ny andron’ny fitsarana noho ny hatao aminao.»

Ny Evanjely ambara amin’ny tso-poNy Ray sy ny Zanaka(Jereo Lk 10,21-22)

25Tamin’izany andro izany, dia hoy indray i Jesoa: Misaotra Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nanafina izany zavatra izany tamin’ny hendry sy be saina Ianao, ary nanambara azy tamin’ny tso-po kosa.

26Eny, misaotra Anao Aho, Raiko, fa izany no sitraponao.

27Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.

I Jesoa Mpampianatra mora fo

28Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho.

29Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo;

30fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny entako.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help