Rômanina 7 - Malagasy Catholic Bible

Afahana amin’ny Lalàna ny kristianina

1Tsy fantatrareo va, ry hava-malala (miteny amin’ny mahalala ny Lalàna aho), fa raha mbola velona ny olona no fehezin’ny lalàna?

2Ohatra: ny vehivavy manam-bady dia fehezin’ny lalàna ho an’ny lahy raha mbola velona ny lahy: fa afaka amin’ny lalàn’ny lahy kosa izy rehefa maty ny lahy.

3Koa raha mbola velona ny lahy no manambady olon-kafa izy, dia hatao hoe mpijangajanga izy; fa rehefa maty kosa ny lahy, na manam-bady olon-kafa aza izy, dia tsy mba mpijangajanga intsony, fa efa afaka amin’ny lalàn’ny lahy.

4Toy izany koa ianareo, ry havako malala, maty ny amin’ny Lalàna noho ny Tenan’i Jesoa Kristy ianareo, mba ho vadin’ny hafa, dia Ilay nitsangan-ko velona, mba hahavokarantsika ho an’Andriamanitra.

5Fa fony mbola tao amin’ny nofo isika, dia ny filàn’ny ota, izay nohetsehin’ny Lalàna, no niasa tao amin’ny rantsam-batantsika, hahavokatra ho an’ny fahafatesana;

6fa ankehitriny kosa dia afaka amin’ny Lalàna isika fa efa maty ny amin’ny Lalàna izay nifehezana antsika, ka manompo an’Andriamanitra amin’ny fanahy vaovao, fa tsy amin’ny soratra lany taona.

Asan’ny Lalàna

7Inona àry no holazaintsika: ota va ny Lalàna? Sanatria izany! Fa tsy nahalala ny fahotana aho, raha tsy tamin’ny Lalàna; ohatra, tsy ho nahalala ny fanirian-dratsy aho, raha tsy ny Lalàna no nilaza hoe: Aza maniry ratsy.

8Dia io didy io no nohararaotin’ny fahotana hampihetsika ny fanirian-dratsy rehetra tato anatiko; satria raha tsy misy Lalàna, dia maty ny fahotana.

9Izaho dia olona tsy nanan-dalàna fahiny; fa nony tonga ny didy, dia nahazo aina ny fahotana,

10ka maty terỳ aho. Noho izany, ny didy natao hahazoana fiainana no tonga nahazoako fahafatesana,

11satria nohararaotin’ny fahotana hamitaka sy hamono ahy ny didy.

12Masina ihany anefa ny Lalàna, ary masina ny didy, sady marina no tsara.

13Koa zavatra tsara izany nanjary fahafatesana ho ahy? Sanatria izany! fa ny fahotana no nahafaty ahy tamin’ny zavatra tsara, mba hiharihary ny faharatsiany ka ho tonga mpanota erỳ ny fahotana noho ny didy.

Tolona ao anaty

14Fa fantatsika fa ny Lalàna dia ara-panahy, ary izaho kosa dia ara-nofo, namidy ho andevon’ny fahotana.

15Satria tsy hitako be ihany izay ataoko; tsy ny tiako no ataoko, fa ny hàlako no anoiko.

16Koa rehefa ny tsy tiako no ataoko, dia miaiky aho fa tsara ny Lalàna.

17Ary amin’izany dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny fahotana izay mitoetra ato anatiko.

18Fa fantatro fa tsy mitoetra ato amiko ny tsara, izany hoe tsy ato amin’ny nofoko; ny fikasana fotsiny no ato amiko, fa tsy ny manatanteraka ny tsara,

19satria tsy ny tsara izay tiako no ataoko, fa ny ratsy izay tsy tiako;

20ka rehefa tsy ny tiako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny fahotana izay mitoetra ato amiko.

21Ka toa misy lalàna toy izao ato amiko: nony te hanao ny tsara aho, dia ny ratsy no indro misosoka.

22Satria amin’ny olona ao anaty aho, dia mankasitraka ny lalàn’Andriamanitra ihany,

23fa ny lalàna hitako amin’ny rantsam-batako sy manohitra ny lalàn’ny saina no manandevo ahy amin’ny lalàn’ny fahotana izay ao amin’ny rantsam-batako.

24Indrisy! olo-mahantra aho; iza re no hanafaka ahy amin’ity vatam-pahafatesana ity?

25Hisaorana anie Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika! Izaho izany, dia sady mpanompon’ny lalàn’Andriamanitra amin’ny saina no andevon’ny lalàn’ny fahotana amin’ny nofo koa.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help