1 Ho an’ny mpampianatra hira. Hiran’i Davida.
2Ry Iaveh ô, mandra-pahoviana no hanadinoanao ahy,
mandra-pahoviana no hanafenanao ny Tavanao amiko?
3Mandra-pahoviana no hamoromporon-kevitra ao amin’ny
fanahiko aho,
ary dia ho feno alahelo isan’andro ny foko?
Mandra-pahoviana no hitsanganan’ny fahavaloko mamely ahy?
4Jereo, mba valio aho, ry Iaveh Andriamanitro ô!
Omeo fahazavana ny masoko
mba tsy ho renoky ny torimaso fahafatesana aho,
5mba tsy hanaovan’ny fahavaloko hoe: «Resiko izy!»
ka tsy hifalian’ny mpanohitra ahy, mahita ahy mangozohozo.
6Raha izaho, dia ny hatsaram-ponao no itokiako;
ny famonjenao no hientanan’ny foko,
hihira ho an’i Iaveh aho, noho ny soa nataony tamiko.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.