1Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
2Ry zanak’olona, atodiho mankany amin’ny taranak’i Amôna ny tavanao, ka maminania ny hanjò azy ireo.
3Lazao amin’ny taranak’i Amôna hoe: Mihainoa ny tenin’ny Tompo Iaveh! Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ianao nanakora hoe: «Hia! Hia!» ny amin’ny fitoerako masina satria efa voavetaveta, sy ny amin’ny tanin’i Israely, satria efa voarava, sy ny amin’ny taranak’i Jodà, satria lasan-ko babo izy ireo;
4noho izany dia indro hatolotro hozakain’ny zanaky ny Atsinanana kosa ianao; ka hanorina ny tobiny eo aminao izy ireo, sy hiorim-ponenana ao aminao; izy no hihinana ny voankazonao, sy hisotro ny ronononao.
5Ary i Rabata hataoko tany fihinanan-drameva; ary ny tanin’ny taranak’i Amôna ho valan’ondry, dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.
6Fa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ianao niteha-tanana sy ningadon-tongotra, ary nifaly tao am-ponao tamin’ny fanesoanao rehetra, ny amin’ny momba ny tanin’i Israely;
7noho izany dia indro Aho haninji-tanana aminao: hanolotra anao ho babon’ny firenena, hamongotra anao, eo amin’ny vahoaka, hanesotra anao tsy ho isan’ny tany; handringana anao Aho, ka ho fantatrao fa Iaveh Aho.
Mamely an’i Moaba(Jereo Am 2,1-3; Jer 48; Sôf 2,8-11)8Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho i Moaba sy i Seira manao hoe: «Indro ny taranak’i Jodà fa sahala amin’izao firenena rehetra izao ihany.»
9noho izany dia indro hotatahako ny lanivoan’i Moaba, hatrany amin’ny tanàna, hatrany amin’ny tanànany, hatrany amin’ny faritry ny taniny, tabihan’ny tany, i Betjesimôta, i Beelmeôna, i Kariataìna.
10Hotatahako hidiran’ny zanaky ny Atsinanana izy, toraky ny tanin’ny taranak’i Amôma, hatolotro hozakainy izy, mba tsy ho tsaroana intsony eny amin’ny firenena ny taranak’i Amôna.
11Hanao fitsarana any amin’i Moaba Aho, ka ho fantany fa Iaveh Aho.
Mamely an’i Edôma(Jereo Ezek 35; Jer 49,7-22; Iz 34; Sal 137,7)12Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho i Edôma namaly an-kalozana ny taranak’i Jodà, ka nanao heloka makadiry tamin’ny namaliany azy ireo;
13noho izany dia izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Haninji-tanana amin’i Edôma Aho; ka haringako ny olona sy ny biby eo aminy; hataoko zary efitra, hatrany Temàna izy; ary ho lavon-tsabatra hatrany Dedana.
14Ny hanaovako famaliana an’i Edôma, dia ny tanan’i Israely, vahoakako; hasiany araka ny hatezerako amam-pahavinirako i Edôma, ka ho fantany ny famaliako, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Mamely an’i Tira(Jereo Iz 23)15Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ny Filistinina nanampatra ny famaliana, sady namaly an-kalozana, tamin’ny fanesoana ao am-po, mba handringana izao rehetra izao noho ny fankahalany tsy misy farany,
16noho izany dia izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro Aho haninji-tanana amin’ny Filistinina, handringana ny Kretoà, ary handrava izay sisa monina eny amoron-dranomasina.
17Hanao famaliana lehibe azy ireo Aho, hanasazy azy amin-katezerana mafy, ka ho fantany fa Iaveh Aho, rehefa mampihatra aminy ny famaliako Aho.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.