1Nony efa niantomboka ho maro ny olona teto ambonin’ny tany ary efa niteraka zazavavy izy
2dia hitan’ireo zanak’Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’ny olombelona, ka naka vady tamin’izy ireo izy, dia tamin’izay rehetra tiany.
3Ary hoy i Iaveh: «Tsy hipetraka mandrakariva ao amin’ny olombelona ny fanahiko; fa nofo fotsiny ihany ny olombelona, ary ho roapolo amby zato taona no androny.»
4Ary tamin’izany andro izany dia nisy ny Rapeton’olona teto ambonin’ny tany, dia rehefa nankamin’ny zanaka vavin’ny olombelona ny zanak’Andriamanitra, sy efa nahary zaza taminy. Ary ireny no olo-mahery nalaza hatrizay ela izay.
NY SAFODRANOFiharatsian’ny olombelona5Hitan’i Iaveh fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ary ny ratsy ihany no alehan’ny fisainana rehetra avy amin’ny fony isan’andro.
6Ka nanenina i Iaveh tamin’ny nahariany ny olombelona tambonin’ny tany; ary nalahelo tao am-pony Izy,
7ka hoy Izy hoe: «Haringako tsy ho eo ambonin’ny tany ny olombelona noarîko, hatramin’ny olombelona ka hatramin’ny biby fiompy, ny biby mikisaka sy ny voromanidina, fa manenina Aho noho ny nanaovako azy.»
8I Nôe kosa anefa dia nahita fitia teo imason’i Iaveh.
9Izao no tantaran’i Nôe: Lehilahy marina i Nôe, nanao ny rariny teo amin’ny olona niara-belona taminy, nizotra nifanaraka tamin’Andriamanitra i Nôe.
10Niteraka telo mirahalahy izy, dia i Sema sy i Kama ary i Jafeta.
11Ary tamin’izay, nihasimba teo anatrehan’Andriamanitra ny tany, sy nihafeno faharatsiana.
12Nijery ny tany Andriamanitra ka indro efa simba izy, fa samy efa nanimba ny lalany tambonin’ny tany avokoa ny nofo rehetra.
Fiomanana amin’ny safodrano13Ka hoy Andriamanitra tamin’i Nôe: «Efa mby eto anatrehako ny fara fiafaran’ny nofo rehetra, fa feno haratsiana ny tany noho izy ireo, ka haringako izy mbamin’ny tany.
14Ary ianao, manaova sambo fiara amin’ny hazo misy dity; asio efitrefitra izy, ary hosory ditin-tany ny atiny sy ivelany.
15Toy izao no hanaovanao azy: Telon-jato hakiho no ho lavan’ny sambo fiara; dimampolo hakiho no sakany ary telopolo no haavony.
16Asio elanelany iray hakiho tsy voatampina eo ambanin’ny tafo; ary varavarana iray amin’ny lafin’ny sambo fiara; ka asio rihana misy efitra voalohany, faharoa sy fahatelo.
17Ary Izaho hahatonga ny safodrano hanafotra ny tany, mba handringana ny nofo rehetra manam-pofon’aina eo ambanin’ny lanitra; ho levona izay rehetra ety ambonin’ny tany.
18Fa hanao fanekem-pihavanana aminao kosa aho, ary hiditra ao an-tsambo fiara ianao sy ny zanakao, ny vadinao sy ny vinantovavinao.
19Ny zava-manana aina rehetra, ny nofo rehetra, dia hampidirinao roa avy isan-karazany ho ao an-tsambo fiara, mba ho voatahiry velona aina izy sy ianao: ho lahy iray sy vavy iray avy ireo.
20Vorona isan-karazany, biby fiompy isan-karazany, biby mikisaka amin’ny tany isan-karazany no ho avy eo aminao, roa isan-karazany avy, mba hotahirizinao velona aina.
21Ary ianao kosa, itondray avokoa rehefa mety ho zava-pihinana, angony ho fitaovana, mba hisy ataonao sy izy ireo fihinana.»
22Nanomboka nanao izany i Nôe: notanterahiny daholo izay rehetra nasain’Andriamanitra nataony.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.