Ekleziastika 26 - Malagasy Catholic Bible

1Sambatra ny vadin’ny vehivavy tsara fanahy,

ary hampitomboina avo sasaka ny andro iainany.

2Ny vehivavy mahery fo, dia fifalian’ny vadiny,

izay miadana amin’ny taona iainany.

3Anjara soa ny vehivavy tsara fanahy,

ary omena ho anjaran’izay matahotra ny Tompo izy.

4Ravoravo ny fon’ny lahy, na manan-karena izy na malahelo,

miramirana lava ny tarehiny na rahoviana na rahoviana.

5Misy zavatra telo atahoran’ny foko,

ary ny amin’ny fahefatra dia mivavaka eo anatrehan’ny Tompo aho:

ny resaka fanaratsiana ataon’ny tanàna iray manontolo;

ny fanozonan’ny be sy ny maro, ary ny fanendrikendrehana:

halako noho ny fahafatesana, ireo zavatra rehetra ireo;

6fa ny vehivavy mpialona ny vehivavy hafa,

no dia fijaliam-po amam-pangirifiriana,

sy ny fioky ny lela mamisavisa amin’ny olon-drehetra ny anton’ny alahelony.

7Ny vady ratsy fanahy, dia toy ny omby miray jioga tsy mifanaraka,

izay mitana azy io dia sahala amin’izay nahazo mambambohitra.

8Zava-mahatezitra loatra, ny vehivavy manaram-po amin’ny divay,

fa tsy hanarona ny fahamenarany akory aza izy.

9Amin’ny fijeriny tsy valahara sy amin’ny fanaovany pi-maso

no ahalalana ny hajangan’ny vehivavy.

10Ataovy tsara fiambenana ny zazavavy maditra,

fandrao mahita ny fitsirambînanao izy,

ka hanaram-po amin’ny fahalotoana.

11Mitandrema mba tsy hanaraka ny maso tsy mahalala henatra,

fa raha tsy izany, aza gaga raha voatariny amin’ny ota ianao.

12Toy ny mpivahiny mangetaheta manoka-bava,

ka misotro izay rano rehetra sendra azy,

ny vehivavy janga mipetraka eo anoloan’ny tsato-kazo rehetra

sy manokatra ny fitoeran-jana-tsipìkany amin’ny zana-tsipìka.

13Ny hasoan’ny vehivavy dia fifalian’ny vadiny,

ary ny hazavan-tsainy mandrotsaka hery amin’ny taolany.

14Fanomezana avy amin’Andriamanitra, ny vehivavy mangina,

ary tsy misy azo oharina amin’ny vehivavy tsara taiza.

15Fahasoavana mihoatra noho ny fahasoavana rehetra ny vehivavy maotina,

ary tsy misy rakitra soa noho ny vehivavy madio.

16Toy ny masoandro miposaka eny amin’ny hahavon’ny Tompo,

ny famirapiratry ny hatsaran-tarehin’ny vehivavy

eo an-tranony voahaingo tsara.

17Toy ny fanilo mirehitra eo amin’ny fanaovan-jiro masina,

ny hatsaran-tarehiny eo ambonin’ny tena ranjanana mahate-hanaja.

18Toy ny andry volamena misy faladia volafotsy

ny tongotra tsara bika, miorina amin’ny ombalahin-tongotra mandonda.

Zavatra mampalahelo

19Misy zavatra roa mampalahelo ny foko,

ary ny fahatelo manetsika ny fahatezerako;

ny lehilahy mpiady, miaritra ny fahantrana;

ny olona manan-tsaina, ataon’ny olona faniratsira,

izay miala amin’ny fahamarinana ho amin’ny fahotana;

omanin’ny Tompo izy, ho an’ny sabatra.

Varotra

20Saro-misoro-kadisoana, ny olona mpivarotra;

ary tsy ialam-pahotana, ny mpivaro-divay.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help