Ezekiela 20 - Malagasy Catholic Bible

Fitantarana ny fivadihan’i Israely

1Tamin’ny taona faha-7, volana faha-5, andro faha-10n’ny volana, tonga tao amiko, mba hanontany amin’i Iaveh, ny sasany amin’ny loholon’i Israely, ka nipetraka teo anatrehako;

2dia tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

3Ry zanak’olona, mitenena amin’ireo loholon’i Israely ireo, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Hanontany amiko va no nahatongavanareo? Velona Aho, ka tsy hety hanontanianareo - teny marin’ny Tompo Iaveh. -

4Hotsarainao va ireo, hotsarainao va ireo, ry zanak’olona? Ampahalalao azy ireo, ny fahavetavetan’ny razany;

5ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tamin’ny andro nifidianako an’i Israely sy nananganako tanana homba ny taranak’i Jakôba, sy nanaovako izay hahalalany Ahy tany amin’ny tany Ejipta, ary nananganako tanana homba azy ireo, nanao hoe: Izaho no Iaveh Andriamanitrareo;

6tamin’izany andro izany, nanangan-tanana homba azy ireo Aho, nianiana fa hitondra azy mivoaka avy any amin’ny tany Ejipta, ho any amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely izay tsara indrindra amin’ny tany rehetra sady efa nozahako ho azy ireo.

7Ary hoy Aho tamin’izy ireo: Samia ianareo manary ny sampin-doza tsy ho eo anatrehany; aza mandoto tena amin’ny fahavetavetan’i Ejipta: Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

8Niodina tamiko anefa izy ireo, fa tsy nety nihaino Ahy. Izy ireo tsy mba samy nanary ny sampiny tsy ho eo anatrehany, na niala tamin’ny fahavetavetan’i Ejipta. Nihevitra ny handatsaka ny fahavinirako tamin’izy ireo Aho, sy hanarana ny hatezerako taminy, tany amin’ny tany Ejipta.

9Nefa nanao ny ataoko Aho, noho ny Anarako, mba tsy ho voavetaveta izany eo imason’ireo firenena nitoerany; sady teo imason’ireo koa no nanaovako izay hahafantarany Ahy, hitondrako azy hivoaka ny tany Ejipta.

10Nentiko nivoaka ny tany Ejipta izy, ary notaritiko ho any an’efitra.

11Nomeko azy ny didiko, nampahafantariko azy ny fitsipiko, izay ahaveloman’ny olona manaraka azy.

12Nomeko azy koa ny sabatako ho famantarana amiko sy amin’izy ireo, mba hahalalany fa Izaho no Iaveh manamasina azy.

13Nivadika tamiko anefa ny taranak’i Israely, tany an’efitra, tsy nanaraka ny lalàko izy, sady nanary ny didiko, izay ahaveloman’ny olona manaraka azy, ary nametaveta izaitsizy ny sabatako. Nihevitra ny handatsaka ny fahavinirako tamin’izy ireo tany an’efitra Aho, mba handringana azy.

14Nefa nanao ny ataoko Aho noho ny Anarako mba tsy ho voavetaveta izany eo imason’ireo firenena, izay nahita ny nitondrako azy nivoaka ny tany Ejipta.

15Efa nanainga ny tanako hamely azy Aho tany an’efitra, nianiana tamin’izy ireo fa tsy hampiditra azy any amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely efa natolotro azy, - sady tsara indrindra amin’ny tany rehetra, -

16noho izy ireo nanary ny didiko, tsy nanaraka ny lalàko, sy nametaveta ny sabatako; fa nanaraka ny sampin-dozany ny fon’izy ireo.

17Nefa niantra tsy te-handringana azy ny masoko, ka dia tsy nolevoniko tany an’efitra izy ireo.

18Hoy Aho tamin’ny zanak’izy ireo tany an’efitra: Aoka ianareo tsy hanaraka ny fomban-drazanareo, na hitandrina ny fanaony, na handoto tena amin’ny sampin-dozany.

19Fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo: araho ny didiko; tandremo ny fitsipiko, ka tanteraho;

20ary ankamasino ny sabatako; ho famantarana amiko sy aminareo, mba hahalalanareo fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

21Niodina tamiko koa anefa ireo zanany, fa ny didiko tsy narahiny, tsy notandremany tamin’ny fanatanterahana azy. Ny fitsipiko izay mahavelona ny olona manaraka azy, ary ny sabatako novetavetainy. Nihevitra ny handatsaka ny hatezerako tamin’izy ireo Aho, sy hanarana ny hatezerako taminy, tany an’efitra.

22Nefa naviliko ny tanako, nanao ny ataoko noho ny Anarako, mba tsy ho voavetaveta izany eo imason’ireo firenena, izay nahita ny nitondrako azy nivoaka.

23Efa nanainga ny tanako hamely azy aza Aho tany an’efitra, nianiana tamin’izy ireo fa hampiparitaka azy amin’ny firenena, ary hampiely azy any amin’ny tany samihafa,

24noho izy ireo tsy nanaraka ny fitsipiko, nanary ny lalàko, nanevateva ny sabatako, nanara-maso ny sampin-dozan’ny razany.

25Ary nomeko azy aza izay lalàna tsy tsara, aman-didy tsy mety ahavelomany;

26sady nolotoiko tamin’ny fanatiny, tamin’ny nampandehanany ny voalohan-terany rehetra hamaky ny afo, ary izany no nataoko dia ny mba handringana azy, ka hahalalany fa Izaho no Iaveh.

27Koa mitenena amin’ny taranak’i Israely, ry zanak’olona, lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tamin’izao koa no nanamavoan’ny razanareo Ahy, fa nivadihany tamiko.

28Nony efa tafiditra teo amin’ny tany nianianako sady nananganako tanana homena azy izy ireo, rehefa mety ho havoana milangalanga sy hazo mikirindro hitany koa, dia nanolorany ny sorony sy nanaterany ireo fanatiny, sady nararany teny ny fanatitra araraka.

29Ka hoy Aho tamin’izy ireo: Inona ange ny fitoerana avo alehanareo? Dia natao hoe fitoerana avo mandrak’androany no anarany.

30Koa lazao amin’ny taranak’i Israely hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Adre! mandoto tena araka ny fanaon’ny razanareo ianareo; ary mitolo-tena hanaraka ny fahavetavetany ianareo.

31Mandoto tena amin’ny sampin-dozanareo rehetra mandrak’androany ianareo, amin’ny anateranareo ny fanatitrareo sy ampandehananareo ny zanakareo hamaky ny afo; ka Izaho ve dia hety hanontanianareo ihany, ry taranak’i Israely? Velona Aho - teny marin’ny Tompo Iaveh: - tsy hety hanontanianareo Aho.

32Ary tsy ho tanteraka akory ny hevitra mby ao an-tsainareo manao hoe: Ho tahaka ny firenena izahay, ho tahaka ny fokon-tany hafa manompo hazo amam-bato izahay.

33Velona Aho, - teny marin’ny Tompo Iaveh: - tanana mahery aman-tsandry ahinjitra ary hatezerana amparina, no hanjakako aminareo.

34Hoentiko mivoaka avy ao amin’ireo firenena ianareo; dia hovoriko avy any amin’ny tany nampielezana anareo, amin’ny tanana mahery aman-tsandry ahinjitra, ary hatezerana amparina.

35Hoentiko ho any an’efitry ny firenena ianareo, dia any no hifandaharako aminareo mifanatrika.

36Tahaka ny nifandaharako tamin’ny razanareo tany an’efitry ny tany Ejipta, no hifandaharako aminareo, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -

37Hampandehaniko eo ambany tehi-mpiandry ondry ianareo; ary hampanekeko ny fitsipiky ny fanekena ianareo.

38Havahako hiala aminareo ireo mpiodina, sy ireo niendaka tamiko; hotsoahako avy any amin’ny tany nivahiniany ihany izy, nefa tsy mba ho tonga any amin’ny tanin’i Israely; dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.

39Ary ny aminareo, ry taranak’i Israely, izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Samia mandeha manompo ny sampinareo avy!

Any aorian’izany anefa, hihaino Ahy tokoa ianareo, ka tsy hanevateva ny Anarako masina amin’ny fanatitrareo aman-tsampin-dozanareo intsony.

40Fa any an-tendrombohitra masina, any an-tendrombohitra avon’i Israely - teny marin’ny Tompo Iaveh - hanompo Ahy avokoa ny taranak’i Israely rehetra, izay rehetra amin’ny tany. Any Aho no hankasitraka azy ireo; any no hilako ny fanatitrareo, mbamin’ny santatry ny fanomezanareo, amin’izay rehetra atokanareo ho Ahy.

41Ianareo ankasitrahiko toy ny hanitra misy fofona mahafinaritra, rehefa nentiko nivoaka avy any amin’ny firenena sy novoriko avy any amin’ny tany nanelezana anareo; ary ianareo no hanamasinako ny Tenako eo imason’ny firenena.

42Ary ho fantatrareo fa Iaveh Aho, rehefa tongako any amin’ny tanin’i Israely ianareo, dia any amin’ny tany efa nananganako tanana homena ny razanareo.

43Ho tsaroanareo, rehefa mby any, ny lalanareo mbamin’ny heloka rehetra nandotoanareo tena, ka haharikoriko anareo ny tenanareo, noho ny ratsy rehetra vitanareo.

44Ary ho fantatrareo fa Iaveh Aho, rehefa hanao ny ataoko aminareo Aho noho ny Anarako, fa tsy araka ny lalan-dratsinareo, na ny helokareo maharikoriko, ry taranak’i Israely, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help