1Tantara 20 - Malagasy Catholic Bible

(Jereo 2Sam 12,26, 30, 31)

1Tamin’ny fitsingerenan’ny taona, nony mby tamin’ny fotoana fiaingan’ny mpanjaka handeha hiady, dia nitarika tafika tsy anerany i Jôaba, ka nandrava ny tanin’ny taranak’i Amôna, sy tonga nanao fahirano an’i Rabà; fa i Davida kosa nijanona tao Jerosalema. Noresen’i Jôaba i Rabà, sady noravany.

2Dia nesorin’i Davida ny satrok’andriana teny an-dohan’ny mpanjakany, ary talenta iray no lanjan’ny volamena hita tao aminy, sady nisy vatosoa anankiray koa, natao teny an-dohan’i Davida.

3Babo be dia be no nentiny avy ao an-tanàna. Ary ny vahoaka hita tao dia navoakany, ka noriatiny tamin’ny tsofa aman-dapìka vy sy famaky. Sady nataon’i Davida toy izany avokoa ny tanànan’ny taranak’i Amôna rehetra. Dia niverina nankany Jerosalema i Davida mbamin’ny vahoakany rehetra.

(Jereo 2Sam 21,18-22)

4Tatỳ aorian’izany nisy ady tamin’ny Filistinina tao Gazera. Tamin’izay no nahafatesan’i Sabokai Hosatita, an’i Safaì isan-taranak’i Rafà, ka voaetry ny Filistinina.

5Dia nisy ady tamin’ny Filistinina koa, izay nahafatesan’i Elkanàna zanak’i Jaira, an’i Lakmì rahalahin’i Gôliata, avy any Geta, ilay nanan-defona hoatry ny voditenon’ny mpanenona ny zarany.

6Ary nisy ady tany Geta. Ka tao no nisy lehilahy avo be anankiray, enin-drantsana isan-tanana aman-tongotra, efatra amby roapolo no totaliny, ka taranak’i Rafà koa izy.

7Naniratsira an’i Israely izy, ka matin’i Jonatàna, zanak’i Samaà, rahalahin’i Davida.

8Tarana-dRafà tao Geta ireo lehilahy ireo, ary matin’ny tanan’i Davida sy ny tanan’ny mpanompony izy ireo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help