1Aleloia!
AlefSitrako ny midera an’i Iaveh amin’ny foko rehetra,
Beteo amin’ny fivorian’ny olo-marina sy ao amin’ny fiangonana.
Gimel2Lehibe ny asan’i Iaveh;
Daletkatsahin’ny olona Izy noho ny hamamiana rehetra avy aminy.
He3Famirapiratana amam-pahamboniana avokoa ny asany,
Vaoary maharitra mandrakizay ny fahamarinany.
Jain4Namela fahatsiarovana ny fahagagana nataony Izy;
Hetmamindra fo sy miantra i Iaveh.
Tet5Nomeny hanina izay matahotra Azy;
Iôdtsaroany mandrakizay ny fanekeny.
Kaf6Naharihariny tamin’ny vahoakany ny herin’ny asany,
Lamedtamin’ny nanolorany azy ny lovan’ny firenena.
Mem7Rariny amam-pahamarinana ny asan’ny tanany,
Nontsy mety miova ny didiny rehetra.
Samek8Voaorina mafy ho mandrakizay ireny,
Ainfa natao tamim-pahamarinana amam-pahitsiana.
Fe9Nanatitra ny famonjena ho an’ny vahoakany Izy,
Tsadeary nanorina ny fanekeny ho mandrakizay.
KôfMasina sy mahatahotra ny Anarany.
Resh10Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena;
Shinmanan-tsaina tokoa izay mitandrina ny didiny.
TaoMaharitra mandrakizay ny fiderana Azy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.