1Hifaly ny efitra sy ny tany karankaina,
hiravoravo ny tany lemaka lava volo,
2ary hamony tahaka ny narsisa;
hirakotra voninkazo sy hientan-kafaliana
ary hanao hoby firavoravoana izy.
Homena azy ny voninahitr’i Libàna
mbamin’ny hakanton’i Karmely sy i Sarôna.
Izy ireo hahita ny voninahitr’i Iaveh,
sy ny famirapiratan’ny Andriamanitsika.
3Hatanjaho ny tanana osa,
herezo ny lohalika mangozohozo!
4Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe:
Makà hery fa aza matahotra. Inty ny Andriamanitrareo;
tamy ny famaliana, famalian’Andriamanitra,
tenany no avy, dia hamonjy anareo.
5Amin’izay dia hahiratra ny mason’ny jamba,
halady ny sofin’ny marenina.
6Hitsambikina hoatra ny serfa ny mandringa,
hinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana.
Fa hisy rano miboiboika any an’efitra;
ary sakeli-drano eny amin’ny tany lemaka lava volo.
7Ny tany hay, hanjary ho farihy,
ary ny tany mangentana ho loharano.
Ny lavaka fonenan’ny amboadia hanjary
saham-bolotara aman-jozoro.
8Hisy arabe, hisy lalana,
izay atao hoe ny lalana masina;
ka ny tsy madio tsy mba hihazo eo;
fa ho azy ireo ihany izy io;
izay homba azy na ny olon-tsotra aza tsy hivilivily.
9Ao tsy mba hisy liona,
tsy hisy biby masiaka mandia ao,
tsy hisy ho hita ao.
Fa ny voavonjy no hizotra ao,
ary ny navotan’i Iaveh no ho tonga ao indray;
10ho tonga ao Siôna amin’ny hobin-kafaliana izy ireo;
firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany;
fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy;
fa ny sento amam-pijaliana handositra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.