1Tsy izahay, ry Iaveh, tsy izahay,
fa ny Anaranao no omeo ny voninahitra
noho ny famindram-ponao, sy noho ny fahamarinanao.
2Ahoana no ilazan’ny firenena hoe:
«Aiza àry ny Andriamanitr’izy ireo?»
3Any an-danitra ny Andriamanitsika;
izay tiany hatao, vitany avokoa.
4Ny sampin’izy ireo dia volafotsy sy volamena,
asan-tanan’olombelona.
5Manam-bava fa tsy miteny izy,
mana-maso fa tsy mahita izy,
6manan-tsofina fa tsy mahare,
manana orona fa tsy manimbolo,
7manan-tanana fa tsy mandray,
manan-tongotra fa tsy mamindra.
Ny tendany tsy amoahany feo akory.
8Hanahaka azy anie izay nanao azy
mbamin’izay rehetra mitoky aminy!
9Ry Israely ô, apetraho amin’i Iaveh ny fitokianao!
Izy no vonjiny sy ampingan’izy ireo.
10Ry taranak’i Aarôna, apetraho amin’i Iaveh ny fitokianao!
Izy no vonjiny sy fitokian’izy ireo.
11Ianareo matahotra an’i Iaveh, apetraho amin’i Iaveh ny fitokianareo!
Izy no vonjiny sy ampingan’izy ireo.
12Efa nahatsiaro antsika i Iaveh, ka hitahy!
Hitahy ny taranak’i Israely Izy
hitahy ny taranak’i Aarôna Izy,
13hitahy izay matahotra an’i Iaveh Izy,
na ny kely, na ny lehibe.
14Hampitomboin’i Iaveh anie ny fanambinany anareo,
dia ianareo sy ny zanakareo!
15Hitahy anareo anie i Iaveh,
izay nanao ny lanitra sy ny tany!
16Ny lanitra dia ny lanitr’i Iaveh,
fa ny tany kosa nomeny ny zanak’olombelona.
17Tsy ny maty no midera an’i Iaveh
dia ireo midina ho any amin’ny toerana fanginana,
18fa isika, dia isika no hisaotra an’i Iaveh
hatramin’izao ka ho mandrakizay.
Aleloia!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.