Jônasy 4 - Malagasy Catholic Bible

Sosotra i Jônasy fa novalian’Andriamanitra

1Nampalahelo mafy an’i Jônasy izany ka tezitra terỳ izy.

2Nanao fivavahana tamin’i Iaveh izy hoe: «Indrisy Iaveh ô! Tsy izao indrindra va no nolazaiko, fony aho mbola tany amin’ny taniko. Koa izany no nandosirako tany Tarsisa aloha, satria fantatro fa Andriamanitra mamindra fo sy miantra, malain-kitezitra, be fitiavana Ianao, ary manenina amin’ny loza voalazanao.

3Koa ankehitriny, Iaveh ô, esory amiko ny fanahiko, fa aleoko maty toy izay velona».

4Fa hoy ny navalin’i Iaveh: «Mety va ny hatezeranao?»

5Dia nivoaka ny tanàna i Jônasy, ka nipetraka teo atsinanan-tanàna, nanao trano rantsan-kazo ho azy, sy nipetraka nialokaloka teo ambonin’io mandra-pahitany izay hanjò ny tanàna.

6Ary i Iaveh Andriamanitra, nampaniry tanantanamanga, izay nisondrotra teo ambonin’i Jônasy, mba hialokalofan’ny lohany mba hanafahana azy amin’ny alahelony; ka nahatsiaro faly erỳ i Jônasy tamin’ny tanantanamanga.

7Kanjo nony ampitso raha vao niposaka ny mazava atsinanana, dia nandefa fositra i Iaveh hamely ilay tanantanamanga, ka tonga maina izy.

8Nony niposaka indray ny masoandro, nandefa rivotra mahamay avy any atsinanana i Iaveh sady nasiany masoandro ny lohan’i Jônasy, ka efa ana mihitsy izy. Nangataka ny ho faty izy ka nanao hoe: «Aleoko maty toy izay ho velona».

9Fa hoy i Iaveh tamin’i Jônasy: «Mety va izao hatezeranao noho ny amin’ny tanantanamanga izao?». Ka hoy ny navaliny: «Mety ny hatezerako mandra-pahafatiko».

10Dia hoy i Iaveh: «Ianao malahelo noho ny amin’ny tanantanamanga izay tsy nisasaranao, tsy nampanirianao, izay naniry tamin’ny indray alina monja, dia maty tanatin’ny indray alina koa;

11ka Izaho va tsy mba halahelo noho ny amin’i Niniva, tanàna lehibe, izay misy olona tsy omby roa alina sy iray hetsy, tsy mahay manavaka ny havanany amin’ny haviany, ary biby be dia be!»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help