Salamo 112 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 112 (Volgata 111)Fiderana ny olo-marina

1Aleloia!

Alef

Sambatra ny olona matahotra an’i Iaveh,

Bet

izay mametraka ny hafaliany rehetra, amin’ny fitandremana ny didiny.

Gimel

2Hahery ambonin’ny tany ny taranany;

Dalet

hambinina ny taranaky ny marina.

He

3Fiadanana sy harena no ao an-tranony;

Vao

ary maharitra mandrakizay ny fahamarinany.

Jain

4Fahazavana no miposaka ao amin’ny haizina ho an’ny olo-mahitsy,

Het

ho an’izay mamindra fo sy miantra ary marina.

Tet

5Sambatra ny olona manao famindram-po sy mampisambotra;

Iôd

hahery an’ady izy, eo amin’ny fitsarana.

Kaf

6Fa tsy mba hangozohozo na oviana na oviana izy,

Lamed

hamela fahatsiarovana mandrakizay ny marina.

Mem

7Tsy mba matahotra ampandrenesina loza izy

Non

miorina mafy ny fony, matoky an’i Iaveh izy;

Samek

8tsy nety nihozongozona ny fony, tsy matahotra izy

Ain

mandra-pahitany ny fahavalony hoe resy.

Fe

9Mamafy fiantrana Izy, manome ny mahantra,

Tsade

maharitra mandrakizay ny fahamarinany;

Kôf

misandratra amim-boninahitra ny tandrony.

Resh

10Mahita izany ny ratsy fanahy ka lotika,

Shin

mihidy vazana ary hanin’ny fialonana:

Tao

ho foana ny fanirian’ny ratsy fanahy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help