1Nony nohamafisin’i Rôbôama ny fanjakany sy nahazo hery izy, dia nahafoy ny lalàn’i Iaveh izy mbamin’i Israely rehetra.
2Tamin’ny taona fahadimy nanjakan-dRôbôama, dia niakatra i Sesàka mpanjakan’i Ejipta hamely an’i Jerosalema noho izy ireo nanota tamin’i Iaveh.
3Nitondra kalesy 1.200 mpitaingin-tsoavaly 60.000 izy, ary tsy tambo isaina ny vahoaka momba azy avy any Ejipta, dia ny Libianina, ny Sokianina, ny Etiôpianina.
4Afany ny tanàna mimanda tamin’i Jodà, ary tonga hatrany Jerosalema izy.
5Dia tonga i Semaiasa mpaminany, nanatona an-dRôbôama sy ny filohan’i Jodà, izay tafangona tao Jerosalema, noho i Sesàka efa akaiky, ka nanao tamin’izy ireo hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Efa nahafoy Ahy ianareo, ka dia mba afoiko kosa ho eo an-tanan’i Sesàka.»
6Ary nanetry tena ireo filohan’i Israely sy ny mpanjaka, ka nanao hoe: «Marina i Iaveh!»
7Nony hitan’i Iaveh fa nanetry tena izy ireo, dia tonga tamin’i Semaiasa ny tenin’i Iaveh nanao hoe: «Efa nanetry tena izy ireo, ka tsy handringana azy Aho: fa tsy ho ela, dia homeko ny fanafahana izy ireo, ary tsy hanampatra ny hatezerako amin’i Jerosalema, amin’ny tanan’i Sesàka Aho.
8Kanefa hanompo an’io ihany izy ireo, mba samy ho fantany na ny manompo Ahy na ny manompo ny fanjakan’ny tany.»
(Jereo 1Mpa 14,26-27)9Dia niakatra namely an’i Jerosalema i Sesàka mpanjakan’i Ejipta, ka namabo ny rakitry ny tranon’i Iaveh sy ny rakitry ny tranon’ny mpanjaka, nataony mafafa. Nobaboiny ireo ampinga volamena nataon’i Salômôna.
10Ampinga varahina no nataon-dRôbôama mpanjaka solon’ireo, dia napetrany teo an-tanan’ny lehiben’ny mpihazakazaka izay niambina ny fidirana amin’ny tranon’ny mpanjaka.
11Ka isaky ny nankao an-tranon’i Iaveh ny mpanjaka, dia tamy ny mpihazakazaka mitondra ireo, vao mamerina azy ho ao an’efitranon’ny mpihazakazaka indray.
12Noho i Rôbôama nanetry tena, dia niala taminy ny fahatezeran’i Iaveh, ka tsy dia tena rava izy, ka mbola nisy zavatra tsara ihany tamin’i Jôdà.
13Ary nitombo hery tao Jerosalema i Rôbôama mpanjaka, ka dia nanjaka.
(Jereo 1Mpa 14,21-22)41 taona izy, fony vao nanjaka, ary 27 taona no nanjakany tao Jeosalema, ilay tanàna nofidin’i Iaveh tamin’ny fokon’i Israely rehetra, hametrahana ny Anarany. Naamà, Amônita, no anaran-dreniny.
14Nanao ny ratsy izy, satria tsy nandraikitra ny fony amin’ny fitadiavana an’i Iaveh.
(Jereo 1Mpa 14,29-31)15Ny asa nataon-dRôbôama, na ny voalohany na ny farany, moa tsy efa voasoratra ao amin’ny Tenin’i Semaiasa mpaminany, sy ny an’i Adô mpahita, momba ny tetiaram-pirazanana? Niady mandrakariva i Rôbôama sy i Jerôbôama.
16Ary nody mandry any amin’ny razany i Rôbôama ka nalevina tao an-tanànan’i Davida. I Abià zanany no nanjaka nandimby azy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.