1 Fihirana fiakarana.
Miandrandra Anao ny masoko,
dia Ianao izay mitoetra any an-danitra.
2Toy ny ibanjinan’ny mason’ny ankizy lahy
ny tanan’ny tompo lahiny,
sy ny mason’ny ankizy vavy
ny tanan’ny tompo vaviny,
no ibanjinan’ny masontsika an’i Iaveh Andriamanitsika,
mandra-pamîndrany fony amintsika.
3Mamindrà fo aminay, ry Iaveh ô, mamindrà fo aminay,
fa efa tototry ny faniratsirana izaitsizy izahay.
4Efa nanototra ny fanahinay izaitsizy,
ny famingavingan’ny mpirehareha, ny fanevatevan’ny mpiavonavona.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.