Salamo 47 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 47 (Volgata 46)I Iaveh Mpanjakan’i Israely sy Mpanjakan’izao tontolo izao

1Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’ny taranak’i Kôre. Salamo.

2Mitehafa tanana ianareo rehetra, ry vahoaka isany,

miderà an’Andriamanitra amin’ny hobim-pifaliana!

3Fa avo indrindra i Iaveh sy tokony hatahorana,

mpanjaka lehibe amin’ny tany rehetra.

4Vahoaka no ampanekeny antsika;

firenena no ataony ambanin’ny tongotsika.

5Nifidy ny lova ho antsika Izy,

ny voninahitr’i Jakôba olo-malalany.

- Selà

6Miakatra ho any amin’ny fitoerana masina

ombam-pihobiana Andriamanitra.

Miakatra i Iaveh omban’ny feon-trômpetra.

7Mihirà ho an’Andriamanitra, mihirà!

Mihirà ho an’ny Mpanjakantsika, mihirà!

8Fa Mpanjakan’ny tany rehetra Andriamanitra;

ka mihirà hira fiderana.

9Manjaka amin’ny firenena Andriamanitra,

mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany masina Izy.

10Ireo mpanapaka ny firenena mivory,

mba ho tonga vahoakan’Andriamanitr’i Abrahama koa izy ireo;

fa an’Andriamanitra ny ampingan’ny tany,

voasandratra ambony indrindra Izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help