Jôba 31 - Malagasy Catholic Bible

Filazan’i Jôba ny fahamarinany

1Efa fanekena nataoko tamin’ny masoko,

ka hataoko ahoana no fanopy maso hijery virjiny?

2Fa inona no anjara hotahirizin’Andriamanitra any ambony ho ahy?

Anjara toy inona no homen’ny Tsitoha ahy any an-danitra?

3Tsy anjaran’ny ratsy fanahy va ny loza?

Ary tsy ho an’ny mpanao ny tsy marina ny fahoriana?

4Moa tsy mahalala ny lalako va Andriamanitra?

Tsy manisa ny diako rehetra va Izy?

5Raha nandia ny lalan’ny lainga aho,

raha nidodododo ho amin’ny fitaka ny tongotro,

6holanjain’Andriamanitra eo amin’ny mizàna marina aho,

dia ho hitany ny tsy fananako tsiny.

7Raha nivily niala tamin’ny lalana marina ny tongotro,

raha nanaraka ny masoko ny foko,

raha misy tsiny tafaraikitra amin’ny tanako;

8dia aoka hamafy aho, fa olon-kafa no hijinja;

aoka ho fongotra ny tamingako.

9Raha adala tamim-behivavy ny foko,

ka namitsaka teo am-baravaran’ny namako aho:

10aoka hampihodina ny vato fitotoana ho an’ny hafa, ny vadiko;

ary aoka ho olon-kafa no hanala baraka azy.

11Fa heloka mahatsiravina izany,

heloka fanameloky ny mpitsara,

12afo mandoro mandra-pahalevona,

tsy maintsy ho nandevona ny fananako rehetra.

13Raha nolaviko ny rariny ananan’ny ankizy lahy aman’ankizy vaviko,

fony ireny nifamaly tamiko;

14Inona no hatao raha hitsangana Andriamanitra?

Inona no havaliko Azy amin’ny andro hiaviany?

15Ilay namorona ahy tao am-bohoka, moa tsy dia nanao azy koa?

Moa tsy Mpahary iray ihany va no nampisy anay?

16Raha nandà ny hataky ny mahantra aho;

raha nahavalalanina foana ny mason’ny mananotena aho;

17raha nobodoiko izaho irery ny anjara mofoko,

fa tsy nazahoan’ny kamboty anjara,

18hatramin’ny fahazazako, dia nitandrina ahy toy ny ray Izy,

hatramin’ny nahaterahako nitarika ny diako.

19Raha nijery ny ory maty tsy manan-damba aho,

ny mahantra tsy manan-kirakofana,

20ka tsy nisaotra ahy ny fony,

sy tsy nanafàna azy ny volon’ny zanak’ondriko,

21raha naninji-tanana namely ny kamboty aho,

saingy nahita ahy manana ny mpitsara hiankinana:

22aoka ny soroko hisaraka amin’ny tenabeko,

aoka ny sandriko hitsoaka amin’ny taolam-panavy.

23Fa izaho olona nataho-tody mandrakariva avy amin’Andriamanitra,

ka tsy mahay maharitra eo anatrehan’ny fiandrianany.

24Raha ny volamena no nametrahako ny fitokiako,

ka ny volamena madio no nataoko hoe: ‹Ianao no fanantenako›,

25raha ny habetsahan’ny hareko no nifaliako,

mbamin’ny fananana nangonin’ny tanako;

26raha nahita ny masoandro nandefa ny hafanàny aho,

na ny volana nandroso am-pamirapiratana,

27ka nety ho voangoly mangingina ny foko;

raha nataoko teo am-bavako ny tanako,

28dia heloka fanameloky ny mpitsara koa izany,

ka ho nandà an’Andriamanitra avo indrindra aho raha izany.

29Raha nifaly noho ny fahavoazan’ny fahavaloko aho;

sy nibitabitaka noho ny loza nanjò azy;-

30Tsia, tsy namela ny lelako hanota aho,

ka nangataka amim-panompana azy ho faty...

31Raha tsy filazan’ny olona tao an-daiko ny hoe:

‹Aiza re no hahitana olona tsy voky tamin’ny hanin-databany?›

32Raha nandry tany alatrano ny mpivahiny,

fa tsy mba novohako varavarana akory ny mpandeha!...

33Raha mba nanafin-keloka toy ny ataon’ny olona aho,

ka nampihiboka ny hadisoako tato anatiko,

34noho ny tahotro ny fivoriam-be,

noho ny tahotra sao esoin’ireo fianakaviana,

ka ho nangina aho tsy sahy nandingana ny tokonam-baravarana akory!...

35Ah, aiza re no hahitako olona hihaino ahy?

Indro ny soniako: ‹Hamaly ahy anie ny Tsitoha!›

Aoka hanoratra ny taratasy fitarainany koa ny manana ady amiko.

36Raha tsy ataoko eo an-tsoroko izany;

raha tsy afehiko ny handriko toy ny satroboninahitra izany!

37Havoakako amin’ny mpitsara ahy ny diako rehetra,

hanatona azy toy ny zanak’andriana aho.

38Raha mitaraina hiampanga ahy ny taniko,

raha nampitomaniako ny soritsoriny;

39raha nihinana ny vokany tsy nanakarama azy aho;

raha naka an-keriny azy tamin’ny tompony marina;

40dia aoka ho tsilo no haniry eo, hisolo ny varimbazaha,

aoka ho ahi-dratsy no hisolo ny orja.»

Tapitra eo ny lahatenin’i Jôba.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help