Nehemia 11 - Malagasy Catholic Bible

Fanendren’i Nehemia izay honina ao Jerosalema. Anaran’olona samihafa

1Niorim-ponenana tao Jerosalema ny lehiben’ny vahoaka, ary nanaovana filokana ny vahoaka sisa mba ho tonga honina ao Jerosalema tanàna masina ny iray isam-polo, fa ny sivy toko sisa no ho amin’ny tanàna hafa.

2Ary nisaoran’ny vahoaka izay rehetra nanolo-tena ho azy, honina ao Jerosalema.

3Izao no loham-pianakaviana avy any ambanivohitra tonga nonina tao Jerosalema. Tany amin’ny tanànan’i Jodà, samy nonina teo amin’ny taniny aman-tanànany avy: dia i Israely, ny mpisorona sy ny Levita ary ny Natineanina mbamin’ny mpanompon’i Salômôna.

Ireo Jody nonina tao Jerosalema(Jereo 1Tan 9,4-17)

4Ny niorim-ponenana tao Jerosalema dia ny avy amin’ny taranak’i Jodà sy i Benjamina. Avy amin’ny taranak’i Jodà: i Ataiasa zanak’i Aziama zanak’i Zakaria zanak’i Amariasa zanak’i Safatiasa zanak’i Malaleela, avy amin’ny taranak’i Faresa;

5ary i Maasiasa zanak’i Baròka zanak’i Kolozà zanak’i Haziasa zanak’i Adaiasa zanak’i Joiariba zanak’i Zakaria zanak’i Selà.

6Lehilahy mahery 468 no totalin’ny avy amin’ny taranak’i Faresa tonga nonina tao Jerosalema.

7Ary izao no taranak’i Benjamina: i Seloma zanak’i Mosolama zanak’i Joeda zanak’i Fadaiasa zanak’i Kolaiasa zanak’i Maaiasa zanak’i Eteela zanak’i Isaia;

8ary manarakaraka azy: i Gebay-Selaỳ: 928 izy.

9I Joela zanak’i Zekri no mpifehy azy; ary i Jodà zanak’i Senoà no lefitry ny komandin’ny tanàna.

10Avy amin’ny mpisorona: i Idaiasa zanak’i Joiariba,

11i Jashina, i Saraiasa zanak’i Helkiasa zanak’i Mosolama zanak’i Sadôka zanak’i Meraiota zanak’i Akitoba, andriandahy amin’ny tranon’Andriamanitra,

12mbamin’ny rahalahin’ireo, izay nanao ny raharaha tao an-trano: 822; i Adaiasa zanak’i Jerohama zanak’i Feleliasa zanak’i Amsỳ, zanak’i Zakaria zanak’i Fasora zanak’i Melkiasa,

13mbamin’ireo rahalahiny, samy loham-pianakaviana: 242; ary i Amasaì zanak’i Azreela zanak’i Ahazy zanak’i Mosolamota, zanak’i Emera,

14mbamin’ny rahalahin’ireo, samy lehilahy mahery: 128. I Zabdiela zanak’i Hagdolima no mpifehy azy ireo.

15Avy amin’ny Levita: i Semeiàsa zanak’i Hasoba zanak’i Ezrikama zanak’i Asabiasa zanak’i Bonỳ;

16i Sabataỳ sy i Jizabada, anisan’ny lohan’ny Levita, tonian’ny raharaha teo ivelan’ny tranon’Andriamanitra;

17i Mataniasa zanak’i Mikà zanak’i Zebedey zanak’i Asafa, ilay lehibe mpiventy ny hira fiderana amin’ny fivavahana; i Bekbekiasa ilay nanarakaraka teo amin’ireo rahalahiny, sy i Abdà zanak’i Samoà zanak’i Galala zanak’i Isditòna.

18Ary nisy 284 no totalin’ny Levita tao amin’ny tanàna masina.

19Ary ny mpiandry varavarana dia i Akoba, i Telmôna, mbamin’ireo rahalahiny, mpiambina ny vavahady: 172.

20I Israely sisa, ny mpisorona ary ny Levita dia tany amin’ny tanànan’i Jodà rehetra, samy tany amin’ny zara taniny avy.

Fanazavana famenony

21Ny Natineanina dia nonina teo amin’ny faritanin’i Ofela: i Sihà sy i Gasfà no nifehy ny Natineanina.

22Ny mpifehy ny Levita tao Jerosalema, dia i Azỳ zanak’i Banỳ zanak’i Hasabiasa zanak’i Mataniasa zanak’i Mikà, anisan-taranak’i Asafa, ireo mpihira niadidy ny fanompoana ao an-tranon’Andriamanitra.

23Fa nisy didin’ny mpanjaka ny amin’izy ireo, sy karama voafetra homena ny mpihira isan’andro.

24I Faratiasa zanak’i Mesezebela, isan-taranak’i Zarà, zanak’i Jodà kosa no mpanao raharahan’ny mpanjaka, amin’ny raharaha rehetra momba ny vahoaka.

25Ny amin’ny tanàna sy ny tany momba azy dia izao no nonenan’ny zanak’i Jodà: i Kariata-Arbe, mbamin’ny vohitra momba azy, i Dibôna mbamin’ny vohitra momba azy, i Kabseela, mbamin’ny zana-bohiny;

26i Jesoe, i Môladà, i Bet-Faleta;

27i Hasersoala, i Bersabea, mbamin’ny vohitra momba azy;

28i Sekelega, i Mokônà, mbamin’ny vohitra momba azy;

29i En-Remôna, i Saraà, i Jerimota,

30i Zanôla, i Odolama, mbamin’ny zana-bohitr’ireo; i Lakisa mbamin’ny tany momba azy, i Azekà mbamin’ny vohitra momba azy. Hatrany Bersabea ka hatrany amin’ny lohasahan’i Enôma no nonenany.

31Ny avy amin’ny taranak’i Benjamina kosa dia nonina hatrany Gebà ka hatrany Makmasa, sy Haì ary Betela, mbamin’ny vohitra momba azy;

32tany Anatôta, Nobà Ananià

33Asôra, Ramà, Getaima, Hadida,

34Seboima, Nebalata, Loda,

35ary Onô, amin’ny lohasahan’ny Mpanao taozavatra;

36tamin’ny Levita, izay anisan’ny antokon’i Jodà, dia nisy nitambatra tamin’i Benjamina

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help