Salamo 150 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 150Fanomezam-boninahitra farany an’AndriamanitraAleloia!

1Miderà an’Andriamanitra eo amin’ny fitoerany masina!

Miderà Azy amin’ny fitoeran’ny fahefany!

2Miderà Azy noho ny asa nataony amin-kerim-po!

Miderà Azy araka ny fahalehibeazany tsy hita noanoa!

3Miderà Azy amin’ny feon-trômpetra!

Miderà Azy amin’ny harpa aman-dokanga!

4Miderà Azy amin’ny dihy miaraka amin’ny ampongatapaka!

Miderà Azy amin’ny sodina aman-java-maneno tendrena!

5Miderà Azy amin’ny kipantsona mazava feo!

miderà Azy amin’ny kipantsona mikarantsana!

6Aoka hidera an’i Iaveh ny manam-pofon’aina rehetra!

Aleloia!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help