Ohabolana 16 - Malagasy Catholic Bible

Anatra samihafa

1Ny mamorona fikasana ao am-po no an’ny olona;

fa ny famalian’ny lela dia avy amin’i Iaveh.

2Madio eo imason’ny olona ny lalany rehetra;

fa i Iaveh ihany no mandanja ny fanahy.

3Mangataha fanampiana amin’i Iaveh amin’ny asanao;

dia ho vanona ny fikasanao.

4Nataon’i Iaveh ho amin’ny antony kendreny avokoa ny zavatra rehetra;

ary na ny ratsy fanahy aza ho amin’ny andro mahory koa.

5Fahavetavetana amin’i Iaveh ny miavona am-po rehetra;

azo itompoana tokoa fa tsy ho afa-maina izy.

6Ny hatsaram-po amam-pahamarinana no anonerana ny heloka;

ary ny fahatahorana an’i Iaveh no analavirana ny ratsy.

7Raha sitrak’i Iaveh ny lalan’ny olona,

na ny fahavalony aza hampihavaniny aminy.

8Aleo kely ombam-pahamarinana

toy izay harem-be omban’ny tsy fahamarinana.

9Ny fon’ny olona no misaina izay halehany,

fa i Iaveh ihany no mitondra ny diany.

10Teny tò no eo amin’ny molotry ny mpanjaka;

aoka tsy hanota ny vavany raha mitsara izy.

11Avy amin’i Iaveh ny mizàna aman-delany mahiratra,

asany avokoa ny vato-mizàna amin’ny kitapo.

12Fahavetavetana amin’ny mpanjaka ny manao ratsy;

fa ny rariny no iorenan’ny seza fiandrianana mafy.

13Mahita sitraka amin’ny mpanjaka, ny molotra marina;

ary tiany izay miteny amim-pahatsoram-po.

14Iraky ny fahafatesana ny fahatezeran’ny mpanjaka;

ny olon-kendry anefa dia mahatony izany.

15Mampiaina ny fahamiramirànan-tarehin’ny mpanjaka;

ary toy ny oran-dohataona ny fanambinany.

16Tsara noho ny volamena ny mahazo ny fahendrena;

mihoatra noho ny volafotsy ny mahazo ny fahalalana.

17Ny manalavitra ny ratsy no lalam-ben’ny marina;

ny mitandrina ny alehany no miaro ny ainy.

18Ny fireharehana dia mialoha ny faharavana,

ary ny fiavonavonana dia mialoha ny fahalavoana.

19Aleo miara-mietry tena amin’ny madinika,

toy izay mira-mizara babo amin’ny mpiavonavona.

20Mahita fahasambarana izay mihaino tsara ny teny;

ary sambatra izay mitoky amin’i Iaveh.

21Izay hendry am-po dia antsoina hoe manan-tsaina;

ary ny hamamian’ny molotra mampitombo ny fahalalana.

22Loharanon’aina ho an’izay manana azy ny fahalalana;

ary ny sazy ho an’ny adala dia ny fahadalany.

23Manolo-pahendrena ny vavany, ny fon’ny hendry,

sady mampitombo ny fahalalana eo amin’ny molony.

24Ny teny soa dia toho-tantely:

mamin’ny fanahy sy mahasalama ny vatana.

25Misy lalana miseho ho mahitsy amin’ny olona;

kanjo lalana mankamin’ny fahafatesana no iafarany.

26Miasa no an’ny tenany ny mpiasa,

fa asesiky ny vavany hanao izy.

27Loza no vononin’ny ratsy fanahy;

ary toa afo miredareda no eo amin’ny molony!

28Ny olon-dratsy mamelona adiady,

ary ny mpitati-bolana mampisaraka ny mpisakaiza.

29Ny olona mpanao an-keriny manodòka ny namany,

ka mitarika azy amin’ny lalana tsy tsara.

30Izay mikimpy maso hieritreri-pitaka,

sy izay efa manaikitraiki-molotra, dia manao ratsy.

31Satroboninahitra ny volo fotsy;

ary eo amin’ny lalan’ny fahamarinana no ahitana azy.

32Tsara noho ny mahery ny mahatsindry fo;

ary noho ny mahafa-bohitra ny mahazaka ny fanahiny.

33Ny olona manipy ny filokana amin’ny soron’akanjo,

fa avy amin’i Iaveh ihany izay fanapahana rehetra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help