Izaia 52 - Malagasy Catholic Bible

1Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Siôna!

Tafio ny fitafiana fitondranao amin’ny fety,

ry Jerosalema tanàna masina ô!

Fa ny tsy mifora sy ny maloto tsy hiditra eo aminao intsony.

2Ahintsano ny vovoka eny aminao; mitsangàna ianao;

mipetraha ianao, ry Jerosalema;

vahao ny fatorana amin’ny vozonao,

ry voababo, zanaka vavin’i Siôna.

Ny antony nahababo ny vahoaka

3Fa izao no lazain’i Iaveh:

Tsy vola tsy harena no nivarotana anareo;

ka dia tsy vola tsy harena koa no hanavotana anareo!

4Fa izao no lazain’i Iaveh Tompo:

Ny honina any no nidinan’ny vahoakako tany Ejipta fahiny;

ary tatỳ aoriana dia nampahorin’i Asora,

tsy ahoan-tsy ahoana izy.

5Koa ankehitriny, inona no hataoko eto?

- teny marin’i Iaveh -

fa nobaboina tsy an-drariny ny vahoakako?

Ny mpifehy azy masiaka, manerona;

- teny marin’i Iaveh,-

ary ny anarako, tevatevaina tsy an-kijanona, isan’andro.

6Koa indro, hahalala ny Anarako kosa ny vahoakako;

eny, ho fantany amin’izany andro izany,

fa Izaho miteny hoe: «Inty aho!»

Mifoha i Iaveh, mifoha i Jerosalema

7Endrey izany hatsaran’ny tongotr’ilay iraka eny an-tendrombohitra,

izay mitory ny vaovao mahafaly, dia ny fiadanana;

ilay manambara ny fahasambarana, ilay mitory ny famonjena;

ilay milaza amin’i Siôna hoe:

«Manjaka ny Andriamanitrao!»

8Ny feon’ny mpitilinao! Manandra-peo izy ireo,

miara-mihoby an-kafaliana,

satria hitany maso

ny fiverenan’i Iaveh ao Siôna.

9Miaraha mihoby an-kafalina,

ry Jerosalema rava!

Fa i Iaveh efa nampionona ny vahoakany,

sy efa nanavotra an’i Jerosalema.

10Nasehon’i Iaveh ny sandrin’ny fahamarinany,

hiharihary eo imason’ny firenena rehetra.

Ary ny faran’ny tany rehetra,

hahita ny famonjen’ny Andriamanitsika.

11«Mialà, mialà, mivoaha teo ianareo;

aza mikasika izay maloto.

Mivoaha avy ao aminy, mandiova tena ianareo,

izay mitondra ny fanak’i Iaveh.

12Fa tsy hikoropaka no hivoahanareo,

ary tsy handositra no ho fandehanareo;

fa i Iaveh no mandeha eo alohanareo,

ary ny Andriamanitr’i Israely no ho vodilalanareo!»

Hira fahefatr’ilay Mpanompon’i Iaveh(Jereo Iz 42,1; Sal 22; Fah 2,12-24)

13Indro fa hambinina ny Mpanompoko,

hitombo, hankalazaina, ary ho tafasandratra indrindra.

14Toy ny nigagan’ny maro nahita azy,

- fa rava endrika loatra izy,

ka ny tarehiny efa hoatra ny tsy tarehin’olombelona intsony;

ary ny tavany efa hoatra ny tsy tavan-janak’olombelona intsony, -

15no hampiontanany firenena maro.

Hitampim-bava eo anatrehany ny mpanjaka,

satria hahita ny tsy mbola nolazaina taminy,

sy handre ny tsy mbola reny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help