Salamo 49 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 49 (Volgata 48)Zava-poana ny harena

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’ny taranak’i Kôre.

2Mihainoa izao, ianareo rehetra, ry vahoaka isany;

manongilàna sofina ianareo rehetra, ry mponina amin’izao tontolo izao,

3na ny ambony na ny ambany,

na ny manan-karena na ny mahantra tsy an-kanavaka.

4Fa hampandre teny hendry ny vavako;

ary misy hevitra feno fahalalana ato am-poko.

5Manongilan-tsofina amin’oha-teny ambaran’Andriamanitra aho,

mivaofy ny ankamantatro amin’ny feon’ny harpa aho.

6Nahoana no hatahotra aho, amin’ny andron’ny fahoriana,

raha manodidina ahy ny haratsian’ny mpanenjika ahy?

7Ireny dia mitoky amin’ny hareny,

mirehareha amin’ny haben’ny ananany!

8Tsy misy olona mahavotra ny rahalahiny akory

na mahaloa ny avony amin’Andriamanitra.

9Fa be loatra ny vidin’ainy,

ka tsy azo atao mandrakizay, ny manavotra azy,

10mba hahavelona azy mandrakizay

ka tsy hahitany ny fasana na oviana na oviana.

11Tsy maintsy ho hitany: Ny olon-kendry maty;

ny adala aman-ketrina koa levona torak’izany,

ka mamela ny fananany ho an’ny hafa.

12Heverin’izy ireo fa ho mandrakizay ny tranony;

ka haharitra mandritra ny taona mifandimby ny fonenany,

ary tononiny amin’ny anarany ny taniny.

13Kanjo tsy maharitra, na amin’ny voninahiny aza, ny olombelona:

mitovy amin’ny biby izay levona koa izy.

14Izany no alehan’ireo olona be hambo loatra,

mbamin’izay manaraka azy, manaiky ny teniny.

- Selà

15Roahina toy ny biby fiompy izy ho any amin’ny Seoly,

ny fahafatesana no miandry azy,

manapaka azy ireo nony maraina ny olo-mahitsy,

ary ny ambiroany dia hihalevona any amin’ny Seoly, tsy hisy fonenana hafa.

16Fa Andriamanitra kosa, hamonjy ny aiko amin’ny herin’ny Seoly,

fa handray ahy ho any aminy Izy.

- Selà

17Aza matahotra àry, raha misy olona tonga manan-karena,

ka mitombo ny harem-be ao an-tranony.

18Fa tsy hahatondra na inona na inona izy, rehefa maty; tsy hidina miaraka aminy ny harem-beny.

19Na manao ny tenany ho sambatra aza izy amin’ny andro iainany;

na midera Anao amin’ny fifaliana anarananao fo aza ny olona;

20dia handeha ianao hikambana amin’ny razanao

izay tsy hahita ny mazava intsony mandrakizay.

21Ny olombelona na dia ao anatin’ny voninahiny aza,

dia tsy mahafantatra;

mitovy amin’ny biby izay levona izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help