1 Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida. Fihirana.
2Ianao no mendrika hoderaina, ry Andriamanitra, any Siôna,
ho an’ny voninahitrao no anefan’ny olona voady.
3Ianao, izay mihaino ny fivavahana,
dia mankaminao ny olona rehetra.
4Tsindrian-keloka miavosa aho ity;
Ianao no mamela ny hadisoanay.
5Sambatra ny olona fidinao sy raisinao ho akaikinao,
mba honina ao an-kianjanao!
Enga anie izahay ka hivoky ny zava-tsoa ao an-tranonao,
dia ao an-tempolinao masina.
6Zava-mahagaga no anekenao ny fangatahanay noho ny fahamarinanao,
ry Andriamanitry ny famonjena anay,
tokin’ny vazantany efatra,
sy ny ranomasina lavitra any.
7- Izy no mampiorina ny tendrombohitra amin’ny heriny;
misikina ny fahefany,
8mampitony ny fisafoaky ny ranomasina, ny fitroaran’ny onjany,
ary ny fikorontanan’ny vahoaka.-
9Ankona amin’ny zava-mahagaga ataonao ny mponina any an-tany lavitra;
ampiravoravoanao ny fara sisiny, dia ny atsinanana sy ny andrefana.
10Manampy ny tany Ianao, mba hahazina azy,
fenoinao harena izy.
Feno rano ny loharanon’Andriamanitra,
raha lonahinao toy izany ny tany, dia vary no omaninao.
11Manondraka ny tany voaasa Ianao, mandravona ny baingany,
manalemy azy amin’ny tandrifin-drahona,
mitahy ny fitsimohany.
12Ny taona dia ataonao feno ny fanasoavanao tafahoatra;
mitsororoka ny menaka amin’ny Dianao.
13Vonton-drano ny tanimbolinao any an’efitra;
miravaka hafaliana ny havoana.
14Rakotra biby fiompy ny tanim-bilona,
miravaka salohim-bary ny lohasaha,
mifaly sy mihira ny zavatra rehetra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.