1Ny olona rehetra dia voadidy hiharam-pahoriana lehibe;
ary jioga mavesatra no manindry ny zanak’olombelona,
hatramin’ny andro nivoahany tao an-kibon-dreniny,
ka hatramin’ny andro handevenana azy ao an-kibon’ny reny iombonany.
2Ny manabataba ny hevitr’izy ireo sy mampatahotra ny fony
dia ny fiheverana ny zavatra ampoiziny, ny tahotra ny fahafatesana.
3Hatramin’ny olona mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana ao amin’ny voninahitra
ka hatramin’ny ory mipetraka amin’ny tany sy eo ambony lavenona;
4hatramin’izay mitafy sy manao satroboninahitra,
ka hatramin’ny fadiranovana mitafy vorokitsay,
5dia samy azon’ny hatezerana, fialonana, fitabatabana, tebiteby,
fahatahorana ny fahafatesana, hasarotam-po amam-pifandirana:
ary amin’ny fotoana ialana sasatra eo am-pandriana aza,
korontanin’ny torimaso amin’ny alina ny heviny.
6Vao miala sasatra kely, tsy ampy toy inona akory izy,
dia kotranin’ny nofy miaraka amin’izay:
mihevitra azy ho mandry tsy aman’afo amin’ny antoandro izy,
ary tsiravina amin’ny fahitan’ny sainy,
mova tsy ny olona mandositra raha hiady.
7Amin’ny fotoana ahafahany dia tafafoha izy,
ka gaga noho ny tahotahony foana.
8Toy izany no manjò ny nofo rehetra,
hatramin’ny olombelona ka hatramin’ny biby,
ary ny an’ny mpanota aza mbola mihoatra im-pito noho izany.
9Ny pesta, ny vonoana olona, ny tsy fifanarahana, ny sabatra,
ny antambo, ny mosary, ny fandringanana mbamin’ny loza hafa,
10dia noarîna hamely ny mpanota avokoa,
ary ny amin’izy ireo koa no nahatongavan’ny safodrano.
11Izay rehetra avy amin’ny tany dia miverina amin’ny tany;
toy ny iverenan’izay avy amin’ny rano ho any amin’ny ranomasina.
Teny fandinika samihafa12Ny fanatitra aman-karena rehetra azo tsy an-drariny, ho levona,
fa ny hitsim-po haharitra mandrakizay.
13Ny haren’ny tsy marina, ho ritra tahaka ny riaka;
sy toy ny kotrokorana mafy, manakoako mandritra ny orana.
14Hifaly ny olona mahalala malala-tanana,
fa hiharam-pahoriana tanteraka kosa ny mpivadika.
15Ny taranaky ny ratsy, tsy mba mitsimoka sampana maro;
ary ny faka maloto dia eo ambony vatolampy mideza.
16Ny volotara maniry eo akaikin’ny rano sy amoron’ny ony,
no ongotana alohan’ny zava-maitso hafa rehetra.
17Ny fanirian-tsoa dia toy ny saha voatahy,
ary ny fanaovan-tsoa mitoetra mandrakizay.
Teny fandinika18Mamy ny fiainan’ny olona mahavita tena sy ny mpiasa:
fa mamy noho izy roa tonta ireo ny fiainan’izay mahita rakitra.
19Ny zanaka maro sy ny fanorenan-tanàna mampaharitra anarana,
tombanana mihoatra azy roa tonta ireo anefa ny vehivavy tsy misy tsiny.
20Mahafaly ny fo ny divay sy ny zava-maneno,
fa mihoatra noho izy roa tonta indray ny fitiavana ny fahendrena.
21Andrenesana feo manga ny sodina sy ny harpa:
fa mihoatra noho izy roa tonta ireo ny vava maniry soa.
22Hafinaretan’ny masonao ny hasoam-bika sy ny hatsaran-tarehy,
fa mihoatra noho izy roa tonta ireo, ny zava-maitso eny an-tsaha.
23Tafahaona indraindray ny sakaiza sy ny namany,
fa mihoatra noho izy roa indray ny vehivavy sy ny vadiny.
24Ny rahalahy sy ny vonjy dia ho an’ny andro mahory,
fa manafaka mihoatra noho izy ireo indray ny asam-pitiavana.
25Ny volamena sy ny volafotsy mahamatotra ny fandeha,
fa ny fahamalinana atao, ambony mihoatra noho ireo.
26Ny harena aman-kerim-po manandratra ny fo,
fa ny fahatahorana ny Tompo no ambony noho ireo.
tsy manan-java-mahory ny olona raha eo aminy ny tahotra ny Tompo;
raha eo Izy tsy mila izay hiantso vonjy akory.
27Toy ny zaridaina voatahy ny fahatahorana ny Tompo;
ary noravahan’ny Tompo voninahitra tsy misy toa azy izy.
Mpangataka28Anaka, enga anie ka tsy ho velon-kangataka ianao;
aleo maty toy izay mangataka.
29Raha misy olona tafalatsaka hanandrandra ny fihinanan’ny sasany,
tsy azo isaina ho fiainana akory ny fiainany.
Fa mandoto ny fanahiny amin’ny hanin’olon-kafa izy,
nefa zavatra hofadin’ny olona mahita fianarana sy tsara taiza izany.
30Eo am-bavan’ny olona tsy manan-kenatra, mahafinaritra ny mangataka;
nefa mandoro hoatra ny afo ao an-kibony.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.