1Andeha isika hiverina amin’i Iaveh;
2fa Izy no namiravira, Izy no hahasitrana antsika;
mikapoka Izy, nefa hamehy ny ferintsika koa.
3Rehefa afaka indroa andro dia hataony velona indray isika;
amin’ny andro fahatelo dia hatsangany isika,
ka ho velona eo anatrehany.
Mahalalà isika, mikeleza aina
hahalala an’i Iaveh isika.
Mahatoky, toy ny an’ny maraina, ny fiposahany;
ary ho avy amintsika toy ny tandrifin-drahona
toy ny fara orana manamando ny tany.
4Inona no hataoko aminao, ry Efraima?
Inona no hataoko aminao, ry Jodà?
Fa ny fitiavam-bavakareo dia tahaka ny rahona maraina,
tahaka ny ando amin’ny maraina ka levona vetivety.
5Noho izany nataoko potika, tamin’ny tenin’ny mpaminany,
novonoiko tamin’ny tenin’ny vavako izy ireo;
toy ny mazava miposaka no ho fitsarana anao.
6Fa ny fitiavam-bavaka no sitrako fa tsy ny sorona;
ary ny fahalalana an’Andriamanitra mihoatra noho ny sorona dorana.
Helok’i Israely taloha sy ankehitriny7Nivadika ny fanekena, tahaka an’i Adama, anefa izy ireo;
fa nivadika tamiko teo.
8I Galaada dia tanànan’ny mpanao ratsy,
sady isehoan’ny mariky ny ra nalatsaka.
9Mova tsy ny andian-jiolahy manao otrika,
ny andia-mpisorona mamono olona,
eo amin’ny lalana mankany Sikema;
fa mahavita heloka be vava izy ireo.
10Zava-mahatsiravina no hitako teo amin’ny taranak’i Israely;
fa ao no ijangajangan’i Efraima,
sy andotoan’i Israely tena.
11Ianao koa, ry Jodà, misy fijinjana voatendry ho anao,
raha avy izay hamoriako ny vahoakako avy amin’ny fahababoana.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.