1Nony vita ny sakafo, dia nentin’izy ireo ho ao amin’i Sarà razazalahy.
2Tsaroan’i Tobia ny tenin’ny Anjely, ka nangalany ny atin-kazandrano tao an-kitapony, nataony teo ambony vain’afo.
3Tamin’izay dia nosamborin’ny Anjely Rafaely ilay demony ka nafatony tany an’efitr’i Ejipta ambony.
4Ary i Tobia kosa namporisika an-drazazavavy nanao taminy hoe: «Mitsangàna, ry Sarà, aoka hivavaka amin’Andriamanitra isika anio sy ampitso ary rahafakampitso; Andriamanitra no iraisantsika mandritra ireo andro telo ireo; rehefa afaka ny alina fahatelo dia ho velona ao amin’ny fanambadiantsika isika.
5Fa zanaky ny olo-masina, ka tsy mahazo miray araka ny fanaon’ireo firenena tsy mahalala an’Andriamanitra.»
6Dia nitsangana izy ireo ka niara-nivavaka tamin-kafanam-po mba hanomezany azy ny fahasalamana.
7Hoy i Tobia: «Ry Tompo Andriamanitry ny razanay, hisaotra anao anie ny tany aman-danitra, ny ranomasina, ny loharano sy ny ony, mbamin’ny zava-boaary rehetra ao aminy.
8Ianao no nanao an’i Adama, tamin’ny fota-tany sy nanome an’i Eva ho vadiny.
9Ary ankehitriny, ry Tompo, fantatrao fa tsy mba ny hanarana ny filàn’ny nofoko no angalako an’ity anabaviko ity ho vadiko, fa noho ny faniriako ta hamela taranaka izay hidera ny Anaranao amin’ny toerana rehetra ihany.»
10Ary hoy i Sarà: «Mamindrà fo aminay, Tompo ô, mamindrà fo aminay, enga anie ka ho tratra antitra ho salama tsy marofy izahay roroa.»
11Vao maneno akoho dia nasain-dRagoela tonga ny mpanompony ka niara-nandeha taminy hihady fasana ireo,
12fa hoy izy: «Mety hanjò an’io koa ny nanjò an’ireo fito lahy vadiny izay nandeha hanatona azy.»
13Nony vita ny fasana, niverina nankao amin’ny vavy i Ragoela, nilaza taminy hoe:
14«Iraho ny iray amin’ny ankizivavinao, hizaha raha maty izy, mba handevenako azy alohan’ny vaky masoandro.»
15Dia naniraka ny iray amin’ny ankizivaviny i Anà. Nony niditra tao amin’ilay efitrano io, indreo ry zareo tsy maninon-tsy maninona samy matory avy.
16Dia niverina izy, nilaza izany vaovao mahafaly izany. Dia nisaotra ny Tompo i Ragoela sy i Anà vadiny nanao hoe:
17«Misaotra Anao izahay, ry Tompo Andriamanitr’i Israely, fa tsy nihatra ny loza natahoranay.
18Namindra fo taminay Ianao, fa nampanalavirinao anay ny fahavalo manenjika anay.
19Efa niantra ireo zanaka samy tokana Ianao, ka ataovy mitombo fisaorana Anao hatrany izy ireo, sy hanolotra sorom-piderana aminao noho ny niarovana azy, ary hahafantaran’ny firenena rehetra fa Ianao no Andriamanitra amin’ny tany rehetra.»
20Niaraka tamin’izay dia nasain-dRagoela nototofan’ny mpanompony alohan’ny vaky masoandro ilay fasana nataony.
21Ary nilaza tamin’ny vavy izy hanomana fihinanam-be, sy hanomana ny zavatra rehetra ilain’ny mpivahiny, momba ny vatsiny.
22Nampamono omby vavy roa matavy koa izy sy ondralahy efatra, hanaovana sakafo ho an’ny manodidina azy rehetra, mbamin’ny sakaizany rehetra.
23Ary niangavy mafy tamin’i Tobia i Ragoela, mba hijanona eo aminy tapa-bolana.
24Nomen-dRagoela ho an’i Tobia ny antsasaky ny fananany rehetra, sady nandahatra an-tsoratra koa izy, fa rehefa maty izy ireo, ny antsasany sisa dia tsy maintsy ho lasan-ko fananan’i Tobia ihany koa.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.