1 Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida.
I Iaveh no itokiako;
ka ahoana no ilazanareo amin’ny fanahiko hoe:
Mandosira any an-tendrombohitrareo toy ny vorona?
2Fa indro ny ratsy fanahy manenjana ny tsipìkany;
nametaka tamin’ny tady ny zana-tsipìkany;
mba hitifirany ny olona mahitsy fo, ao amin’ny maizina.
3Raha rava ny fanorenana,
inona indray no azon’ny marina atao?
4I Iaveh izay ao amin’ny tempoly masina,
I Iaveh izay manana ny fiandrianany any an-danitra,
dia mana-maso mahiratra;
ary ny hodi-masony mizaha ny zanak’olombelona hatrao anatiny.
5Mizaha ny marina hatrao anatiny i Iaveh;
fa mankahala ny ratsy fanahy sy ny mifaly manao an-keriny Izy.
6Latsahany fandrika afo sy solifara hoatra ny ranonorana
ny ratsy fanahy;
rivo-mahery no ho anjara kapoakan’ireny.
7Fa marina i Iaveh ka ny fahamarinana no tiany;
ny mahitsy fo no hibanjina ny Tavany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.