Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 17 - Malagasy Catholic Bible

II. SAZIN’I BABILÔNAIlay Vehivavy janga malaza

1Dia nanatona ahy ny iray tamin’ny Anjely fito nitondra kapoaka fito, ka nanao tamiko hoe: «Avia, fa hasehoko anao ny fitsarana ilay Vehivavy janga malaza, mipetraka amin’ny rano lehibe maro,

2izay nijangajangan’ny mpanjakan’ny tany, sy nahamamo ny mponina ambonin’ny tany tamin’ny divain’ny fijangajangany.»

3Dia nentiny am-panahy nankany an’efitra aho, ka inty Vehivavy nitaingina Biby mivolon-jaky, feno anarana fanevatevana an’Andriamanitra, fito loha sy folo tandroka, no hitako.

4Lamba volomparasy sy jaky no nitafian-dRavehivavy, volamena sy vato soa ary voahangy no niravahany, ary kapoaka volamena feno zava-betaveta no teny an-tanany, dia ny zava-maloton’ny fijangajangany izany.

5Nisy anarana, dia anarana miafin-kevitra voasoratra teo an-kandriny, nanao hoe: «Babilôna lehibe, Renin’ny fijangajangana sy ny zava-betaveta amin’ny tany.»

6Hitako fa mamon’ny ran’ny olo-masina sy ny ran’ny martirin’i Jesoa io Vehivavy io, ka gaga loatra aho nahita azy.

7Ary hoy ilay Anjely tamiko: «Nahoana no gaga ianao? Indro hasehoko anao ny hevi-miafin’ilay Vehivavy sy ny Biby fito loha manan-tandroka folo.»

Ny maha famantarana ny Biby sy ny Vehivavy Janga

8Ny Biby, ilay efa hitanao, dia teo ihany, ary tsy eo izao, nefa efa hiakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa izy ka hankany amin’ny fahaverezana. Ho gaga ny mponina etỳ an-tany, izay tsy mba voasoratra anarana ao amin’ny bokin’ny fiainana hatramin’ny nanorenana an’izao tontolo izao amin’ny fahitana ity Biby, noho izy teo ihany, ary tsy eo intsony, nefa mbola ho avy indray.

9Ary eto no ilana saina manam-pahendrena. Ny loha fito dia tendrombohitra fito izay ipetrahan-dRavehivavy, sady mpanjaka fito koa ireo:

10ny dimy moa efa lavo, ny iray dia eo, ny iray mbola tsy tonga, ary rehefa tonga izy dia tsy maintsy hitoetra kelikely.

11Ny Biby izay teo kosa, nefa tsy eo intsony, no fahavalo, sy anisan’izy fito ihany, ary mankany amin’ny fahaverezana.

12Ireo tandroka folo efa hitanao indray, dia mpanjaka folo tsy mbola nahazo fanjakana, nefa handray fahefan’ny mpanjaka sy hiara-manjaka ora iray amin’ny Biby.

13Miray hevitra izy ireo, ary manolotra ny hery amam-pahefany amin’ny Biby.

14Hiady amin’ny Zanak’ondry izy rehetra, nefa ho resin’ny Zanak’ondry, satria Izy no Tompon’ny tompo, sy Mpanjakan’ny mpanjaka, ary ny voaantso sy olom-boafidy sady mahatoky no momba Azy.

15Izao koa, hoy izy tamiko: Ny rano efa hitanao nipetrahan-dRavehivavy janga, dia olona amam-bahoaka sy firenena aman-tsamihafa fiteny maro.

16Ny tandroka folo efa hitanao tamin’ilay Biby kosa, no hankahala an-dRavehivavy janga, ka hampijaly sy hampitanjaka azy, ary hihinana ny nofony sy handevona azy amin’ny afo.

17Fa Andriamanitra efa nanome fo azy ireo hanatanteraka ny heviny, sy hanome ny fanjakany ho an’ny Biby, mandra-pahatanteraky ny tenin’Andriamanitra.

18Ary Ravehivavy hitanao no ilay tanàna lehibe, izay mifehy ny mpanjakan’ny tany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help