Izaia 16 - Malagasy Catholic Bible

Mialokaloka ao Jodà ny Moabita

1Alefaso ny zanak’ondry mpanapaka ny tany,

avy any Petrà, hamaky ny efitra,

ho any an-tendrombohitry ny zanakavavin’i Siôna.

2Tahaka ny vorona mandositra

tahaka ny vorona iray akàny aely,

ny zanaka vavin’i Moaba,

eo amin’ny fitàna an’i Arnôna.

3Aoka ianao hanoro hevitra anay, hanelanelana anay;

hanome aloka anay, toy ny amin’ny alina,

amin’ny mitatao vovonana;

hanafina ny enjehina, tsy hanondro ny mandositra!

4Aoka ireo mpandositra avy any Moaba

hahazo mitoetra eo aminao;

aoka ianao ho fiereny,

tsy ho azon’ireo mpandringana izy;

fa mitsahatra ny fanafihana, tapitra ny fandravana,

lasa niala tamin’ny tany ny mpampahory.

5Tafaorina amin’ny famindram-po ny seza fiandrianana,

ary ny hipetraka amin’izany seza fiandrianana izany,

araka ny fahamarinana,

eo an-dain’i Davida,

dia ny mpitsara anankiray mikendry ny rariny,

ary mazoto hampijoro ny fahamarinana.

Fitomaniana an’i Moaba(Jereo Jer 48,29-33)

6Fantatray ny avonavon’i Moaba,

ilay fatra-piavonavona,

ny rehareha aman’avonavony, ny anjonanjony

aman-teny mamitaka.

7Koa aoka i Moaba hitomany an’i Moaba;

aoka hidradradradra izy rehetra!

Ny ampempam-boalobok’i Kira Hereseta,

no aoka hitomanianareo, amim-pahareraham-po mafy.

8Fa zoin-doza avokoa ny sahan’i Hesebona;

ny amin’ny voalobok’i Sabamà,

dia efa noravan’ny tompon’ny firenena

ny sakeliny mandadina,

izay efa nisandrahaka hatrany Jazera,

nandroso tsy hita lany tany an’efitra,

nandefa lavitra ny solofony,

nampita ny ranomasina.

9Koa mitomany toy ny itomanian’i Jasera aho,

momba ny voalobok’i Sabamà;

mandrotsaka ranomaso aminareo aho

ry Hesebona, ry Eleale,

fa ny vokatrareo amam-pararanonareo,

no nahatongavan’ny fanakoran’ny mpamia.

10Foana ny fifaliana amam-piravoravoana

eo amin’ny sahan-kazo mamoa,

tsy misy hira na hobin-kafaliana intsony

eo amin’ny tanimboaloboka;

ny mpioty voaloboka, tsy mamia divay

eo amin’ny famiazana intsony;

efa natsahatra ny hobin’ny mpamia.

11Koa mipararetra hoatra ny harpa

ny tsinaiko, noho ny amin’i Moaba;

sy ny foko noho ny amin’i Kira-Haresa.

12Dia no hitan’ny olona i Moaba hisasatra

eo amin’ny fitoerana avony,

hiditra ao amin’ny fitoera-masiny izy hivavaka,

nefa tsy hahazo na inona na inona.

Tenin’Andriamanitra momba an’i Moaba

13Izany no teny faminaniana nataon’i Iaveh fahiny ela ny amin’i Moaba.

14Ary ankehitriny kosa miteny i Iaveh, ka manao hoe: «Ao anatin’ny telo taona, araka ny fanisana ny taona iasan’ny mpikarama, dia ho lefy ny voninahitr’i Moaba mbamin’ny vahoaka be ao aminy, fa zavatra kely foana no ho sisa, sady ho vitsy sy osa.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help