Mpit 8 - Malagasy Catholic Bible

1Iza moa no tahaka ny hendry,

ary zovy no mahalala ny anton-javatra, toa azy?

Ampamirapiratin’ny fahendren’ny olona ny tarehiny,

ary ny tarehiny marokoroko dia voaova.

2Hoy aho: Tandremo ny didin’ny mpanjaka,

noho ny efa nianianana tamin’Andriamanitra:

3aza maika hiala eo anatrehany.

Aza mikiribiby amin’ny zavatra tsy mety,

fa izay sitrany rehetra azony atao avokoa.

4Manan-kery tsy toha ny tenin’ny mpanjaka,

ka iza no hanao aminy hoe: Inona ity ataonao?

5Izay mitandrina ny didy, tsy iharan-doza na inona na inona;

ary ny fon’ny hendry hahalala ny fotoana sy ny fitsarana.

6Fa samy misy fotoana amam-pitsarana ho azy avy ny zavatra rehetra,

fa lehibe ny loza hanjò ny olombelona.

7Tsy mahalala izay ho avy izy;

ary iza no hilaza aminy, na hanao ahoana na hanao ahoana no hiavian’izany?

8Tsy tompon’ny fofon’ainy ny olombelona,

ka hahatana ny fofon’ainy;

ary tsy manam-pahefana amin’ny andro ahafatesany izy;

tsy misy avaka ny amin’izany ady izany,

ary ny heloka tsy hahavonjy ny olo-meloka.

9Nahita izany rehetra izany aho;

fa nentiko mandinika ny zavatra rehetra

atao atỳ ambany masoandro, ny saiko,

amin’ny andro anapahan’olona iray, ny olon-kafa,

ka ampidirany loza aminy.

10Hitako fahizany, fa ny ratsy fanahy mahazo levenana,

sy tafiditra ny fitsaharany,

fa ny olona manao ny marina kosa,

miala lavitra ny fitoerana masina,

ary hadinoina ao an-tanàna.

Zava-poana koa izany.

11Saingy tsy tanterahina vetivety,

ny teny fitsarana navoaka hamaliana ny ratsy atao,

ka noho izany ny fon’ny zanak’olombelona dia mihasahy ao anatiny amin’ny fanaovan-dratsy;

12fa na hanao ratsy injato aza ny mpanota,

ka ho lava andro iainana koa,

fantatro fa ny fahasambarana kosa,

dia an’izany matahotra an’Andriamanitra,

dia izay tsindrian’ny fahatahorana eo anatrehany.

13Fa tsy mba an’ny ratsy fanahy, ny hasambarana;

ary ho toy ny aloka izy fa tsy lava andro iainana,

noho izy tsy matahotra an’Andriamanitra.

14Izao koa no zava-poana miseho atỳ ambonin’ny tany:

Misy olo-marina iharan’

izay mendrika ny asan’ny ratsy fanahy;

ary misy olon-dratsy

iharan’izay mendrika ny asan’ny tsara fanahy.

Ka hoy aho: zava-poana koa izany.

15Koa midera ny fifaliana aho,

satria tsy misy hasambarana ho an’ny olona atỳ ambany masoandro,

afa-tsy ny mihinana sy misotro ary mifaly;

ary izany no tokony homba azy

amin’ny asany, mandritra ny andro

omen’Andriamanitra hiainany, atỳ ambany masoandro.

2. Ny fitiavana

16Raha nentiko hamantatra ny fahendrena ny saiko,

sy handinika ny anjara asa,

atao atỳ ambonin’ny tany, -

fa na andro na alina

tsy mahita tory ny mason’ny olona -

dia hitako ny asan’Andriamanitra manontolo;

17hitako fa hain’olombelona fantarina

ny asa atao atỳ ambany masoandro;

misasatra mitady ny olombelona fa tsy mahita,

na maniry te-hahalala aza ny hendry

dia tsy mahatakatra koa.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help