1Nanjaka tamin’i Israely rehetra i Salômôna mpanjaka.
2Izao no lehibe, mpanao raharahany: i Azariasa, zanak’i Sadôka, no filohan’ny mpanao raharaha.
3I Elihôrefa sy i Ahià, zanak’i Sisà, no mpanoratra; i Jôsafata zanak’i Ahiloda, no mpitahiry boky;
4i Banaiasa zanak’i Jôiadasa no komandin’ny tafika; i Sadôka sy i Abiatara no mpisorona.
5I Azariasa zanak’i Natàna no lehiben’ny mpikarakara ny hanin-kohanina; i Zaboda zanak’i Natàna mpisorona no mpanolo-tsaina, manolotra ny mpanjaka;
6i Ahisara no lehiben’ny tao an-dapa; ary i Adônirama zanak’i Abdà no mpiadidy ny momba ny fanompoana.
Ireo mpikarakara hanin’i Salômôna7Nanana mpikarakara hanina 12 lahy tamin’i Israely rehetra i Salômôna. Ireo no namonona izay nilain’ny mpanjaka sy ny ankohonany, amin’ny fivelomany, samy tsy maintsy namonona izany ho an’ny volana iray avy isan-taona.
8Izao no anaran’izy ireo: Ben-Hora, tamin’ny tendrombohitr’i Efraima;
9Ben-Dekara, tao Maksesa, tao Salebima, tao Betsamesa, tao Elôna any Betanàna;
10Ben-Heseda, tao Harobôta, azy avokoa i Sokao sy ny tany Efara rehetra;
11Ben-Abinadaba, ny havoan’i Dora rehetra no azy, ary Tafeta zanakavavin’i Salômôna no vadiny;
12Banà, zanak’i Ahiloda; azy avokoa i Tanàka sy i Magedao ary i Betsàna rehetra, akaikin’i Sartàna, eo ambanin’i Jezraela, hatrany Betsàna, ka hatrany Abelmehôla, hatrany ambadik’i Jekimaana;
13Ben-Gabera tao Ramôtan’i Galaada; izao no azy: Ny tanàna madinik’i Jaira, zanak’i Manase, any Galaada; ny tany Argoba, any Basàna, misy tanàna lehibe 60, mimanda sy misy hidy varahina;
14Ahinadaba zanak’i Adaô tao Manaima;
15Akimaasa tao Neftalì. Izy koa naka ho vady ny zanaka vavin’i Salômôna anankiray dia i Basemata;
16Baanà, zanak’i Hosì, tao Asera sy i Alota;
17Jôsafata zanak’i Faroe, tao Isakara;
18Semeià zanak’i Elà, tany Benjamina;
19Gabara zanak’i Orì, tamin’ny tany Galaada, amin’ny tany Sehôna, mpanjakan’ny Amôreana, sy Oga mpanjakan’i Basàna, fa iray ihany no mpikarakara tamin’izany tany izany.
20Maro toy ny fasika eny amoron-dranomasina i Jodà sy i Israely; ary nihinana sy nisotro sy nirobiroby.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.