1Mpanjaka 4 - Malagasy Catholic Bible

Ireo manamboninahitr’i Salômôna

1Nanjaka tamin’i Israely rehetra i Salômôna mpanjaka.

2Izao no lehibe, mpanao raharahany: i Azariasa, zanak’i Sadôka, no filohan’ny mpanao raharaha.

3I Elihôrefa sy i Ahià, zanak’i Sisà, no mpanoratra; i Jôsafata zanak’i Ahiloda, no mpitahiry boky;

4i Banaiasa zanak’i Jôiadasa no komandin’ny tafika; i Sadôka sy i Abiatara no mpisorona.

5I Azariasa zanak’i Natàna no lehiben’ny mpikarakara ny hanin-kohanina; i Zaboda zanak’i Natàna mpisorona no mpanolo-tsaina, manolotra ny mpanjaka;

6i Ahisara no lehiben’ny tao an-dapa; ary i Adônirama zanak’i Abdà no mpiadidy ny momba ny fanompoana.

Ireo mpikarakara hanin’i Salômôna

7Nanana mpikarakara hanina 12 lahy tamin’i Israely rehetra i Salômôna. Ireo no namonona izay nilain’ny mpanjaka sy ny ankohonany, amin’ny fivelomany, samy tsy maintsy namonona izany ho an’ny volana iray avy isan-taona.

8Izao no anaran’izy ireo: Ben-Hora, tamin’ny tendrombohitr’i Efraima;

9Ben-Dekara, tao Maksesa, tao Salebima, tao Betsamesa, tao Elôna any Betanàna;

10Ben-Heseda, tao Harobôta, azy avokoa i Sokao sy ny tany Efara rehetra;

11Ben-Abinadaba, ny havoan’i Dora rehetra no azy, ary Tafeta zanakavavin’i Salômôna no vadiny;

12Banà, zanak’i Ahiloda; azy avokoa i Tanàka sy i Magedao ary i Betsàna rehetra, akaikin’i Sartàna, eo ambanin’i Jezraela, hatrany Betsàna, ka hatrany Abelmehôla, hatrany ambadik’i Jekimaana;

13Ben-Gabera tao Ramôtan’i Galaada; izao no azy: Ny tanàna madinik’i Jaira, zanak’i Manase, any Galaada; ny tany Argoba, any Basàna, misy tanàna lehibe 60, mimanda sy misy hidy varahina;

14Ahinadaba zanak’i Adaô tao Manaima;

15Akimaasa tao Neftalì. Izy koa naka ho vady ny zanaka vavin’i Salômôna anankiray dia i Basemata;

16Baanà, zanak’i Hosì, tao Asera sy i Alota;

17Jôsafata zanak’i Faroe, tao Isakara;

18Semeià zanak’i Elà, tany Benjamina;

19Gabara zanak’i Orì, tamin’ny tany Galaada, amin’ny tany Sehôna, mpanjakan’ny Amôreana, sy Oga mpanjakan’i Basàna, fa iray ihany no mpikarakara tamin’izany tany izany.

20Maro toy ny fasika eny amoron-dranomasina i Jodà sy i Israely; ary nihinana sy nisotro sy nirobiroby.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help