1Niteny tamin’i Jôsoe i Iaveh nanao hoe: «Mitenena amin’ny zanak’i Israely, ka lazao hoe:
2Anendreo tanàna fialofana ianareo araka izay nandidiako anareo tamin’ny alalan’i Môizy,
3hahazoan’ny mpanompo mandositra, dia izay nahafaty olona tsy nahy, fa tsy nahalala, ka hatao fialofana ho anareo tsy ho azon’ny mpamaly ra.
4Handositra amin’ny anankiray amin’ireo tanàna ireo izay namono olona, dia hijanona eo anoloan’ny vavahadin’ny tanàna, ka hanambara ny mahazo azy amin’ny loholon’izany tanàna izany, dia horaisin’ireo ho ao aminy ao an-tanàna izy, ka homeny trano mba hipetrahany eo amin’izy ireo.
5Raha manenjika azy ny mpamaly ra, dia tsy hatolony ho eo an-tanany ny mpamono, satria tsy fahalalana no nahafatesany ny namany, fa tsy nankahala azy taloha izy.
6Hitoetra amin’izany tanàna izany izay nahafaty olona, mandra-pisehony hotsaraina eo anatrehan’ny fiangonana, mandra-pahafatin’izay mpisorona lehibe amin’izany andro izany. Fa amin’izay dia hody ilay nahafaty olona ary hiverina any an-tanànany sy any an-tranony, dia any amin’ny tanàna nialany nandositra.»
7Ny natokany dia i Kadesy any Galilea amin’ny tendrombohitr’i Neftalì; i Sikema amin’ny tendrombohitr’i Efraima, ary i Kariat-Arbe, dia i Hebrôna izany, amin’ny tendrombohitr’i Jodà.
8Any an-dafin’i Jordany tandrifin’i Jerikô any atsinanana dia ireto no nofidiny: i Bosora, any an’efitra, any amin’ny tany lemaka, an’ny fokon-dRobena; i Ramôta, any Galaada, an’ny fokon’i Gada, ary i Gaolôna, any Basàna, an’ny fokon’i Manase.
9Ireo no tanàna natokana ho an’ny zanak’i Israely rehetra, sy ny vahiny mitoetra eo aminy, hialofan’izay rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy ho fatin’ny tanan’ny mpamaly ra izy, alohan’ny hisehoany eo anatrehan’ny fiangonana.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.