1Tenin’i Iaveh tonga tamin’i Joely zanak’i Fatoely.
1 Fombam-pivavahana fisaonana sy fitalahoanaA. Hira fitomaniana amin’ny loza manjò ny tany2Mihainoa an’izao ianareo anti-panahy;
mitongilàna sofina ianareo rehetra monina amin’ny tany!
Mba efa nisy toy izao va tamin’ny andronareo,
na tamin’ny andron’ny razanareo?
3Aoka hilaza izao ianareo amin’ny zanakareo,
ny zanakareo amin’ny zanany,
ary ny zanak’izy ireo, amin’ny taranaka mandimby azy.
4Ny sisan’ny Gazàna nohanin’ny valala;
ny sisan’ny valala nohanin’ny ieleka
ny sisan’ny ieleka nohanin’ny kasila.
5Mifohaza ianareo mpimamo, ka mitomania;
ianareo rehetra mpisotro divay dia midradradradrà,
noho ny amin’ny divay vaovao;
izay notapahina tsy ho amin’ny vavanareo intsony.
6Fa misy firenena niakatra tamin’ny taniko
sady mahery no tsy hita isa;
ka ny nifiny dia nifin-diona;
ary ny vazany vazan-diom-bavy.
7Nosimbany ny voaloboko;
notapatapahiny ny aviaviko;
dia nataony makiky sady nazerany ireny;
ary tonga tena fotsy mihitsy ny rantsany.
8Midradradradrà ianao toy ny virjiny mitafy lasàka
hitomany ny vadin’ny fahatanorany.
9Tapaka tsy misy intsony ny fanatitra amam-panatitra araraka, ao an-tranon’i Iaveh;
misaona ny mpisorona mpanao raharahan’i Iaveh!
10Simba ny saha; misaona ny tany, fa levona ny vary,
mangaihay ny divay vaovao, reraka ny diloilo.
11Mangaihaiza, ry mpiasa tany,
midradradradrà ry mpamboly voaloboka,
noho ny amin’ny vary sy ny orja;
satria majifa ny vary hojinjaina any an-tsaha.
12Mangaihay ny voaloboka, ary reraka ny aviavy;
ny ampongabendanitra mbamin’ny antrendry sy ny paoma,
dia ny hazo rehetra any an-tsaha, no efa maina avokoa;
menatra ny hafaliana ka nihataka
lavitra ny zanak’olombelona.
B. Fiantsoana hibebaka sy hivavaka13Mietrà, mitolokoa, ianareo mpisorona;
midradradradrà ianareo mpanao ny fanompoana momba ny ôtely!
Avia hiari-tory mitafy lasàka,
ianareo mpandraharahan’ny Andriamanitro,
fa ny fanatitra amam-panatitra araraka
dia voatana lavitra ny tranon’ny Andriamanitrareo.
14Miantsoa fifadian-kanina; mamoria ny fiangonana;
vorio ny loholona, izay rehetra monina amin’ny tany,
ao an-tranon’i Iaveh Andriamanitrareo,
15ka mitaraina amin’i Iaveh hoe: «Indrisy, ity andro ity!
Fa efa antomotra ny andron’i Iaveh!
Tamy toy ny fandravana avy amin’ny Tsitoha!»
16Tsy efa noesorina teo imasontsika va ny hanina
mbamin’ny fifaliana amam-piravoravoana izay voaesotra
tao an-tranon’ny Andriamanitsika?
17Maina tao ambany bainga ny voa nafafy;
foana ny sompitra;
mirodana ny trano fitahirizana,
satria mangaihay ny vary.
18Endrey izany fitolokon’ny biby;
Mihoalahoala ny andian’omby,
satria tsy manan-kanina izy,
miferinaina mbamin’ny andian’ondry.
19Mitaraina aminao aho, Iaveh ô,
fa levon’ny afo ny kijana an’efitra,
voadoron’ny lelafo ny hazo rehetra any an-tsaha.
20Mimamamama miantso Anao hatramin’ny biby dia,
satria ny renirano ritra;
ny kijana an’efitra levon’ny afo.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.