1Makabeo 8 - Malagasy Catholic Bible

Fiderana ny Rômanina

1Ary nisy ren’i Jodasy nilaza ny amin’ny Rômanina: «Mahery an’ady izy ireo, hoy ny olona taminy, manisy soa an’izay rehetra mifikitra miandany aminy izy, manao fihavanana amin’izay rehetra manatona azy izy, ary mahery an’ady izy.»

2Notantarain’ny olona taminy ny adiny sy ny herim-po nasehony tamin’ny adiny tamin’ny Galata, izay nampanekeny azy sy tongany mpandoa hetra ho azy,

3ny nataony rehetra tany amin’ny tany Espania, mba hahazoany ny tany fihadiam-bolamena sy volafotsy hita tany, mbamin’ny nampanekeny izany tany rehetra izany, noho ny fahamalinana amam-paharetany,

4nefa lavitra dia lavitra azy ireo izany tany izany. Nataony toy izany koa ny mpanjaka avy tany am-para vazantany tonga nanafika azy; dia nandresy azy ireo izy, sy nataony nitondra faisana, ary ny sisa dia mandoa hetra ho azy isan-taona.

5Resiny an’ady avokoa i Filipo sy i Persea mpanjakan’ny Seteanina mbamin’izay nandray fiadiana hamely azy, ka nampanekeny azy.

6Resin’izy ireo koa i Antiôkosy Lehibe mpanjakan’i Asia, izay tonga hiady taminy, nitondra elefanta 120, mpitaingin-tsoavaly, kalesy, ary tafika lehibe dia lehibe.

7Nataony sambo-belona ilay io dia notereny hanao fanekena handoa hetra be dia be ho azy, izy mbamin’ny dimbiny, sady hametraka olona ho antoka, sy hahafoy ny ilany amin’ny fanjakany,

8dia ny tany India, Media, Lidia, ary ny ilany amin’ireo faritany tsara indrindra; ka nony noraisiny avy aminy ireo, dia natolony ho an’i Eomena mpanjaka.

9Nanao fikasana hamely sy handrava azy ireo, ry zareo tany Gresy; fa nony nandre izany ny Rômanina,

10dia naniraka jeneraly iray monja hamely azy, dia niady taminy izy ireo, ka be no matiny; nobaboiny ny vadiny aman-janany, norobainy ny fananany, nampanekeny ny taniny, noravany ny mandany ary nandevoziny mandraka androany ny mponina.

11Ny fanjakana hafa rehetra, mbamin’ny nosy nanohitra azy, noravany sy nampanekeny avokoa.

12Fa izay sakaizany sy izay mametraka ny fitokiany aminy kosa, dia itsimbinany fihavanana. Tonga tompon’ny fanjakana eo akaikiny sy any lavitra azy izy, ary matahotra azy avokoa izay mandre ny anarany.

13Izay rehetra tiany hampiana sy homem-panjakana, dia manjaka; izay tiany halam-pahefana kosa, dia alàny; firenena mahery izy.

14Na dia izany rehetra izany aza, tsy mba misy misatroka diadema izy, na mitafy jaky hanambony tena foana.

15Namorona parlemanta izy ireo, ka misy 320 lahy izy, miara-midinika isan’andro mikarakara tsy tapaka izay hahasoa ny vahoaka mba hiadanany.

16Lehilahy iray no ametrahany ny fahefana isan-taona hanapaka ny taniny rehetra, dia samy manaiky izany lehilahy iray izany izy rehetra, ary tsy mba misy fitsiriritana na fialonana eo amin’izy ireo.

Fifanekem-pihavanan’ny Jody tamin’ny Rômanina

17Ary i Jodasy nifidy an’i Eopôlema zanak’i Joany, zanak’i Akôsa, sy i Jasôna zanak’i Eleazara, ka naniraka an’ireo ho any Rôma, hanao raharaham-pihavanana amam-pisakaizana amin’izy ireo,

18ary mba hanafahany azy amin’ny jioga, satria hitany ny fanandevozan’ny fanjakana Grika an’i Israely.

19Dia lasa nankany Rôma ireo, nandeha lalan-davitra dia lavitra. Nony tafiditra tao amin’ny parlemanta izy, dia nandaha-teny toy izao:

20«Naniraka anay ho atỳ aminareo i Jodasy Makabeo sy ireo rahalahiny mbamin’ny Jody, hanao fanekem-pihavanana amam-piadanana aminareo ary mba hosoratana ho isan’ireo mpihavana aman-tsakaizanareo izahay.»

21Noraisina tsara izany fangatahana izany,

22ka izao no kôpian’ny fanekena nosoratan’ny Rômanina tamin’ny takela-barahina sy nalefany ho any Jerosalema hapetraka any, ho tsangam-baton’ny fanekena amam-pihavanana:

23Hoambinina mandrakizay anie ny Rômanina sy ny firenena Jody, na ambony ranomasina na an-tanety! Ho lavitra azy anie ny sabatra amam-pahavalo!

24Raha manana ady aloha ny Rômanina na ny iray amin’ireo mpihavana aminy, ao anatin’izao fanjakany manontolo izao,

25dia hanampy azy amim-jotom-po tokoa, araka izay azony atao amin’izany fotoana izany ny firenena Jody.

26Ka izay miady amin’izany, tsy homeny na hamononany vary, na fiadiana na vola, na sambo. Izany no sitrapon’ny Rômanina; ary hotanterahin’ny Jody ny zavatra nekeny, nefa tsy handray na inona na inona izy.

27Torak’izany koa, raha manana ady aloha ny firenena Jody, dia hiara-miady aminy, amin’ny fony tokoa, araka izay azony atao amin’izany fotoana izany ny Rômanina;

28ka ny miaramila mpanampy tsy hiantoham-bary na fiadiana, na vola, na sambo. Izany no sitrapon’i Rôma ka izay nekeny dia hotanterahiny tsy misy fitaka.

29Izany no zavatra tapaka natao tao amin’ny faneken’ny Rômanina sy ny firenena Jody.

30Any aoriana, raha misy te-hanampy na hanala amin’izany izy roa tonta, dia azony atao araka izay tiany izany, ka tsy maintsy tòvina izay nanampy na nalana.

31Ary inty ny amin’ny fampahoriana nataon’i Demetriosa mpanjaka azy ireo, dia efa nanoratra ho any amin’io izahay, nanao hoe: «Nahoana no vesaranao jioga ny Jody, sakaizanay sy mpihavana aminay?

32Koa raha mbola ampangain’izy ireo aminay indray ianareo, dia hanohana ny rariny ananany sy hiady aminao ambony ranomasina sy an-tanety izahay.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help