1Nony tonga ny volana fahafito, ka efa tafapetraka amin’ny tanànany avy ny zanak’i Israely, dia nivory toy ny olona iray ihany ny vahoaka rehetra, teo amin’ny kianja anoloan’ny vavahadin’ny Rano. Ary efa nilazan’izy ireo i Esdrasa mpanora-dalàna, mba hitondra ny bokin’ny lalàn’i Môizy, izay nandidian’i Iaveh an’i Israely.
2Ka nentin’i Esdrasa mpisorona ny lalàna, ho eo anatrehan’ny fiangonana, dia ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin’izay rehetra efa manan-tsaina hahafantatra azy; andro voalohan’ny volana fahafito tamin’izay.
3Novakiny teo anatrehan’ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin’izay efa manan-tsaina hahafantatra azy ny boky, teo amin’ny kianja anoloan’ny vavahadin’ny Rano, hatramin’ny maraina ka mandra-pisasaky ny andro, ary nampandry sofina nihaino ny bokin’ny lalàna avokoa ny vahoaka.
4Teo ambony lampihazo vao narafitra hanaovana izany, no nitsangana i Esdrasa mpanora-dalàna, ary ireto no teo anilany: ao ankavanany, i Matatiasa, i Semeiàsa, i Aniasa, i Oria, i Helkiasa, i Maasiasa; teo ankaviany, i Fadaiasa, i Mesaela, i Melkiasa, i Hasoma, i Hasbadanà, i Zakaria, i Mosolama.
5Dia nosokafan’i Esdrasa teo imason’ny vahoaka rehetra ny boky, fa tafasondrotra ambonin’ny vahoaka rehetra izy, ary rehefa nosokafany dia nitsangana ny vahoaka rehetra.
6Nisaotra an’i Iaveh Andriamanitra lehibe i Esdrasa, dia nanandra-tanana ny vahoaka rehetra namaly hoe: «Amen, Amen!» Sady niondrika sy niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Iaveh izy ireo.
7Ary nampianatra ny vahoaka ny lalàna, i Josoe, i Banì, i Sarabiasa, i Jamina, i Akoba, i Septaì, i Odiasa, i Maasiasa, i Kelità, i Azariasa, i Jozabeda, i Hanàna, i Falaisa, mbamin’ny Levita; ka samy nijanona teo amin’ny fitoerany ny olona.
8Novakiny mazava ny boky, dia ny lalàn’Andriamanitra, novoasany koa ny heviny; ka azo tsara ny teny novakina.
9Ary i Nehemia, governora, i Esdrasa mpisorona sy mpanora-dalàna, mbamin’ny Levita, nampianatra ny vahoaka, niteny tamin’ny vahoaka rehetra, nanao hoe: «Andro masina ho an’i Iaveh Andriamanitrareo ity ka aza asiana fisaonana na ranomaso.» Fa nitomany avokoa ny vahoaka nony nandre ny tenin’ny lalàna.
10Dia hoy koa i Nehemia tamin’ireo: «Mandehana mihinana hena matavy sy misotro zava-pisotro mamy, ary anatero anjara izay tsy nahavoatra, fa masina ity andro ity ho an’ny Tompontsika; ka aza malahelo fa ny fifaliana amin’i Iaveh no herinareo.»
11Ny Levita koa nampionona ny vahoaka rehetra nanao hoe: «Mangina ianareo fa masina ity andro ity ka aza malahelo.»
12Dia samy nandeha hihinana sy hisotro ary hampitondra anjara ho an’ny sasany ny vahoaka rehetra, ka nanao fifaliana lehibe. Fa azony tsara ny teny nampahafantarina azy ireo.
13Ny andro faharoa dia nivory teo amin’i Esdrasa mpanora-dalàna, ny loham-pianakavian’ny vahoaka rehetra, mbamin’ny mpisorona sy ny Levita, mba handavorary kokoa ny fianarany ny tenin’ny lalàna.
14Ka hitan’izy ireo voasoratra ao amin’ny lalàna izay nandidian’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy, fa tsy maintsy mitoetra an-tranolay ny zanak’i Israely, mandritra ny fety amin’ny volana fahafito,
15sy tsy maintsy manao fiantsoana ampahibemaso eo amin’ny tanànany rehetra sy any Jerosalema hoe: «Mankanesa any an-tendrombohitra ianareo dia mitondrà sampan’ôliva, sampan’ôliva maniry ho azy, sampan-drofia, ary sampan-kazo milobolobo, hanaovan-trano lay araka ny voasoratra.»
16Dia nandeha nankany ny olona, ka nitondra, ary samy nanao tranolay avy izy ireo teny ambony tafon-tranony, teny an-tokotaniny, teny amin’ny kianjan’ny tranon’Andriamanitra, teo amin’ny kianjan’ny vavahadin’i Efraima.
17Samy nanao trano lay sy nipetraka tao anatin’ny trano lay avokoa ny fiangonan’izay niverina avy any amin’ny fahababoana. Tsy mbola nahavita zavatra hoatra izany ny zanak’i Israely, hatramin’ny andron’i Jôsoe zanak’i Nona ka hatramin’io andro io. Ka nisy fifaliana lehibe indrindra tamin’izay.
18Namakiana isan’andro ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro farany. Hafitoana no nanaovana ny fety, ary tamin’ny andro fahavalo, dia nisy fivoriana manetriketrika, araka ny fomba voadidy
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.