Nahoma 3 - Malagasy Catholic Bible

Fandrahonana an’i Niniva noho ny heloka nataony

1Loza ho an’ny tanàna mpandatsa-dra,

feno fanambakana amam-pahasiahana

tsy mitsahatra amin’ny halatra!

2Injany re ny firivirìvin’ny karavasy,

ny firodorodon’ny kodia,

ny katrokatroky ny soavaly,

ny fiantraitraikan’ny sarety!

3Mpitaingin-tsoavaly miezaka,

sabatra mamirapiratra, lefona manjelatra,

olo-maratra sesehena, maty miavosa,

faty tsy hita isa...

Voafingampingan’ny faty ny olona!

4Ny nahatonga izany,

dia noho ny fijangajangana maro be nataon’ilay vehivavy janga,

feno zavatra mahafinaritra manangoly, kinga amin’ny fankatoavana,

izay nivarotra firenena amin’ny fijangajangany

sy vahoaka amin’ny fankatoavany.

5Inty Aho izao manohitra anao,

- teny marin’i Iavehn’ny tafika; -

haingaiko hatrany amin’ny tavanao ny rambon’ny akanjonao,

haharihariko amin’ny firenena ny fitanjahanao,

ary amin’ny fanjakana ny fahamenaranao.

6Hotsipazako loto ianao, sy halàko baràka,

sy hataoko fijerin’ny olona ianao.

7Izay mahita anao, handositra lavitra anao avokoa,

sy hanao hoe: Rava i Niniva!

Iza no hangoraka azy?

Aiza no hitadiavako mpampionona anao?

Ohatra ho azy i Teba

8Moa ianao tsara noho i No-Amôna

izay nipetraka teo amin’ny ony,

nohodidinin’ny rano,

nanana ny ranomasina ho mandany,

sy ny rano be ho tambohony?

9I Etiôpia no heriny, mbamin’i Ejipta koa,

ary be tsy hita isa ireny;

i Foty sy ny Libianina no mpanampy anao.

10Mba lasana voasesitany ihany anefa,

ary nentin-ko babo izy;

ny zanany madinika koa notorotoroina,

teny an-joron-dalambe rehetra teny;

ny olo-malazany nanaovana filokana,

ary ny lehibeny rehetra nivesatra gadra avokoa.

11Ianao koa hampileovina, dia hanjavona tsy hita intsony;

ianao koa eo anatrehan’ny fahavalo hitady fialofana.

Very maina ny fiomanan’i Niniva

12Ny tanànanao mimanda mafy rehetra

dia aviavy misy voany masaka

hozongozonina dia miraraka

eo am-bavan’izay te-hihinana azy ireny.

13Indro ny vahoakanao fa toy ny vehivavy eo afovoanao;

eo anoloan’ny fahavalonao, dia hivoha midanadana

ireo vavahadin’ny taninao;

levon’ny afo ny hidinao.

14Mantsakà rano ho anao ho fitaovana amin’ny fahirano;

hamafiso ny manda,

manditia tanimanga, mihose tanidilatra,

raiso ny lasitra hanaovana biriky.

15Any no handevonan’ny afo anao,

handripahan’ny sabatra anao.

Valala vao, miavosa

Any no hihinanany anao, toy ny ieleka

na dia ho maro toy ny ieleka aza ianao,

sy ho betsaka toy ny valalavao.

16Nampitombo isa ny mpandrantonao ianao,

mihoatra noho ny kintana eny an-danitra;

mikopaka elatra ny ieleka dia lasa manidina.

17Ny mpiambinao no toy ny ieleka

ary ny mpanapaka anao no toy ny valala vao, miavosa,

mipetraka eny amin’ny fefy izy, amin’izay andro mangatsiaka;

fa lasa mandositra raha vao miposaka ny masoandro,

ka tsy fantatra intsony izay nisy azy; nankaiza izy?

Hita fisaorana

18Rendremana ny mpiandrinao, ry mpanjakan’i Asiria;

mivalandotra ny lehilahy maherinao;

mihahaka eny an-tendrombohitra ny vahoakanao;

sady tsy misy olona mamory azy.

19Tsy lai-panafody ny ratranao;

ratsy ny ferinao;

izay rehetra hitantarana ny nanjò anao,

hiteha-tanana noho ny aminao avokoa;

satria zovy moa no tsy niharan’ny hasomparanao lava izao?

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help