1Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:
2Ahoana ange no anonontononanareo ity ohabolana ity, ny amin’ny tanin’i Israely ataonareo hoe: Ny ray no mihinam-boaloboka marikivy, ka ny zanany no madilo nify!
3Velona Aho, - teny marin’ny Tompo Iaveh, - tsy hisy hanaovanareo izany ohabolana izany intsony, eo amin’i Israely.
4Ahy ny fanahy rehetra, na ny fanahin’ny ray, na ny fanahin’ny zanaka, samy Ahy avokoa, ka ny fanahy izay manota dia izy no ho faty.
5Raha misy olona marina, ka manaraka ny rariny sy ny hitsiny,
6tsy mihinana eny an-tendrombohitra, tsy manandra-maso amin’izay sampin-dozan’ny taranak’i Israely, tsy manala baraka ny vadin’ny namany, tsy mandeha amin’ny vehivavy izay mbola ao anatin’ny fahalotoana,
7tsy mampahory olona, mamerina amin’ny mpitrosa ny nataony antoka, tsy manao halatra, manome hanina ny noana, manafy lamba ny mitanjaka,
8tsy manao zana-bola be loatra, tsy maka zana-bola, mamily ny tanany tsy hanao ratsy, mitsara marina ny an-daniny avy,
9ary manaraka ny didiko sy mitandrina ny lalàko ka tsy mivadika amin’izany, dia olo-marina io ka ho velona izy, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
10Fa izany olona izany miteraka zaza masiaka, izay mandatsa-dra, ka manao amin’ny rahalahiny ny iray amin’ireo zavatra ireo,
11- fa ny tenany kosa tsy nanao ireo zavatra ireo, - mihinana eny an-tendrombohitra, manala baraka ny vadin’ny namany,
12mampahory ny mahantra sy ny malahelo, manao halatra, tsy mamerina ny natao antoka, manandra-maso amin’ny sampy, manao fahavetavetana,
13manao zana-bola be loatra, maka zana-bola, ka dia ho velona va io?... Tsy ho velona izy, efa nanao ireo fahavetavetana rehetra ireo izy, tsy maintsy ho faty tokoa, ary ny rany ho aminy ihany.
14Fa indro kosa, misy lehilahy anankiray niteraka zazalahy anankiray, izay mahita ny fahotana rehetra nataon-drainy; nahita izany izy nefa tsy mba nanao zavatra toy izany akory.
15Tsy nihinana teny an-tendrombohitra, tsy nanandra-maso tamin’ny sampin-dozan’ny taranak’i Israely, tsy nanala baraka ny vadin’ny namany,
16tsy nampahory olona, tsy naka antoka, tsy nanao halatra fa nanome hanina ho an’ny noana, nanafy lamba ny mitanjaka;
17tsy nanao zana-bola be loatra na naka zana-bola; nitandrina ny lalàko izy ary nanaraka ny didiko; tsy ho faty noho ny rainy izy fa ho velona tokoa.
18Ny rainy izay nanao an-keriny matetika loatra, nandroba ny rahalahiny, sy nanao izay ratsy eo afovoan’ny fireneny, io izy io dia ho faty noho ny helony.
19Ary ianareo kosa manao hoe: «Nahoana ny zanaka no tsy mba mitondra ny heloky ny rainy?» Nefa ny zanaka nanaraka ny hitsiny sy ny rariny, nitandrina ny didiko sy nanatanteraka azy, ka ho velona tokoa izy.
20Ny fanahy izay manota dia io no ho faty; ny zanaka tsy hitondra ny heloky ny rainy; ary ny ray tsy hitondra ny heloky ny zanany; ny fahamarinan’ny marina ho aminy ihany; ary ny haratsian’ny ratsy dia ho aminy ihany.
21Ny ratsy fanahy kosa raha miala amin’ny fahotana rehetra nataony ka mitandrina ny didiko rehetra sy manaraka ny hitsiny sy ny rariny, ho velona izy, fa tsy ho faty.
22Tsy hotsarovana intsony ny fahadisoana rehetra nataony; ho velona izy noho ny fanarahany ny marina.
23Moa ny hahafatesan’ny ratsy fanahy ve no sitrako, - teny marin’ny Tompo Iaveh, - fa tsy ny hialany amin’ny helony rehetra ka ho velona izy?
24Ary raha miala amin’ny fahamarinana kosa ny marina ka manao ny tsy marina, araka ny fahavetavetana rehetra ataon’ny ratsy fanahy, - moa hanao izany izy va ka ho velona? - Tsy hotsarovana intsony ny asa fahamarinana rehetra narahiny; noho ny fahadisoana nahameloka azy sy ny fahotana nataony, noho izany dia ho faty izy.
25Ianareo manao hoe: «Tsy marina ny lalan’ny Tompo!» Mihainoa àry, ry taranak’i Israely: Moa ny lalako va no tsy mahitsy? Moa tsy ny lalanareo va no tsy mahitsy?
26Raha miala amin’ny fahamarinany ny marina ka manao ny tsy marina ary maty amin’izany, dia noho ny tsy marina nataony no ahafatesany.
27Fa raha miala amin’ny haratsiana nataony kosa ny ratsy fanahy, ka manaraka ny hitsiny sy ny rariny amin’ny ataony, dia hamelona ny fanahiny izy.
28Raha sokafany ny masony, ka miala amin’ny fahadisoana rehetra nataony izy, dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty.
29Lazain’ny taranak’i Israely anefa fa tsy marina ny lalan’ny Tompo! Moa ny lalako va no tsy mahitsy, ry taranak’i Israely? Moa tsy ny lalanareo no tsy mahitsy?
30Koa hotsaraiko araka ny lalanareo avy ianareo, ry taranak’i Israely, - teny marin’ny Tompo Iaveh. - Miverena ka mibebaha amin’ny fahotanareo rehetra ka tsy handoza anareo ny tsy fahamarinana.
31Ario lavitra anareo ny fahotana, sy ny fahadisoana rehetra nataonareo; manaova fo vaovao sy saina vaovao. Fa nahoana no dia ho faty ianareo, ry taranak’i Israely.
32Fa tsy sitrako ny fahafatesan’izay maty, - teny marin’ny Tompo Iaveh; - koa mibebaha ianareo ka aoka ho velona.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.