1Aza sakaiza ka hanjary fahavalo,
fa laza ratsy no ho anjaran’ny ratsy fanahy
sy henatra amam-pahafaham-baraka;
toy izany ny mpanota miroa lela.
2Aza manandra-tena avy amin’ny nahim-ponao,
fandrao baboina ny fanahinao toy ny baboin’ny ombalahy.
3Hihinana ny ravinao ianao,
handevona ny voankazonao,
ary hazo maina sisa havelanao aminao.
4Ny fanahy ratsy, mahavery izay manana azy;
ataony fihomehezan’ny fahavalony izy.
Fisakaizana(Jereo Ekl 37,1-6)5Ny teny mora, mahamaro sakaiza,
ary ny fiteny mamy, dia be hamamiana.
6Aoka ho maro izay mifankahazo tsara aminao,
nefa iray monja amin’ny arivo no ilao hevitra.
7Raha te hahazo sakaiza ianao,
fizahan-toetra azy no aoka hahazoanao azy,
fa aza malaky matoky azy foana.
8Satria misy sakaiza manao an’androny,
fa hihataka izy, amin’ny andro mahory anao;
9misy sakaiza ho tonga fahavalo,
ka hanambara ny adinareo, hahazoanao henatra.
10Misy sakaiza, raha hiara-komana aminao,
fa tsy haharitra ho izany intsony amin’ny andro hahory anao.
11Amin’ny andro iadanana izy mitsangan-ko toy ny tenanao,
ka hiresaka mora foana amin’ny ankohonanao.
12Raha avy izay ietrenao, hitsangan-kanohitra anao izy,
ary hiery anao.
13Halaviro ny fahavalonao,
ary mitandrema tena amin’ny sakaizanao.
14Ny sakaiza mahatoky dia fiarovana mahery,
ka nahita rakitra izay nahita azy.
15Tsy misy soa toy ny sakaiza mahatoky;
tsy misy vato-mizàna, azo andanjana ny vidiny.
16Ody aina ny sakaiza mahatoky;
izay matahotra ny Tompo no mahazo azy.
17Izay matahotra ny Tompo no manam-pisakaizana marina,
satria manahaka azy ny sakaizany.
Fianarana ny fahendrena18Anaka, milozoha amin’ny fianarana,
hatramin’ny vao tanora ianao,
dia hahita ny fahendrena ianao, mandra-pahafotsin’ny volonao.
19Manatòna azy, toy ny mpiasa tany sy ny mpamafy,
ary miandrasa ny vokatsoa avy aminy.
Fa fotoana vitsivitsy no hisahirananao hiasa azy,
ary vetivety foana dia hihinana ny vokany ianao.
20Sarotra hanihina aoka izany izy raha ny tsy mahalala!
Ka tsy haharitra hiraikitra aminy ny adala.
21Fa toy ny vato mavesatra fitsapana, manindry azy izy,
ka tsy ela akory dia akifiny erỳ.
22Satria manamarina ny anarany ny fahendrena:
tsy miseho amin’ny be sy ny maro izy.
23Mihainoa, anaka, ka raiso ny hevitro,
ary aza ariana ny torohevitro.
24Ampidiro amin’ny parapaingony ny tongotrao,
ary amin’ny fehivozony ny vozonao.
25Aondreho hibaby azy ny sorokao,
ary aza sosotra ianao, amin’ny famatorany.
26Tongava any aminy, amin’ny fonao rehetra,
ary araho ny lalany, amin’ny herinao rehetra.
27Araho ny diany, ary katsaho izy,
fa hiseho aminao izy ho fantatrao.
Ka rehefa azonao kosa, aza ialana intsony.
28Satria, hahita ny fiadanana ianao, amin’ny farany;
ary hanjary foto-pifaliana ho anao izy.
29Ny parapaingony, ho tonga fiarova-mahery ho anao,
ary ny fehivozony ho fitafiana be voninahitra.
30Fa firavaka volamena no eo an-dohany;
ary lamba tenona Hiasinta no fehilohany.
31Hotafianao ho akanjom-boninahitra izany,
ary hataonao eo an-dohanao, ho fehiloham-pifaliana.
32Anaka, raha tianao dia hahazo fahalalana ianao;
ary raha mikely aina ianao, dia ho tonga mahay.
33Raha mazoto mihaino ianao, hahazo fianarana;
ary raha mampandry sofina, dia ho tonga hendry.
34Mitoera eo amin’ny fivorian’ny anti-panahy;
izay olon-kendry iraiketo fo.
35Mazotoa mihaino ny teny rehetra momba an’Andriamanitra,
ary aoka tsy hidify aminao ny foto-kevitry ny fahendrena.
36Raha mahita olo-manan-tsaina ianao,
vao maraina dia tongava eo akaikiny,
ary ataovy masaky ny tongotrao ny tokonam-baravarany.
37Saintsaino ny didin’ny Tompo,
ereto mandrakariva ny fitsipiny;
fa izy no hankahery ny fonao,
ary ny fahendrena irinao, homena anao.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.