1Faminaniana momba an’i Babilôna nambara tamin’i Izaia, zanak’i Amôsa.
2Manangàna faneva, eo amin’ny tendrombohitra mangadihady;
antsoy amin’ny feo avo izy ireo, hofay tanana izy,
handingana ny vavahadin’ireo mpanapaka.
3Izaho kosa efa nanome didy an’ireo natokako,
ary efa niantso ireo lehilahy maheriko
hoentiko hahafa-po ahy amin’ny hatezerako,
izay miarahaba ny fiandrianako, amin’ny hobin-kafaliana.
4Injany re ny horakoraka any an-tendrombohitra,
toa hahohahom-bahoaka be;
injany re ny tabataban’ny fanjakana,
ny firenena tafavory:
i Iavehn’ny tafika izany mampanao matso
ireo miaramilany mpiantafika.
5Avy any an-tany lavitra,
avy any am-paravodilanitra izy ireo
dia i Iaveh sy ireo entiny manatanteraka ny fahatezerany
handravany ny tany rehetra.
6Aoka hinaonaona ianareo,
fa antomotra ny andron’i Iaveh:
toy ny fandravana ataon’ny Tsitoha no fiaviny.
7Noho izany ny tanana rehetra hiraviravy;
ny fon’ny olombelona rehetra ho reraka,
8hangovitra izy, ho azon’ny tebiteby amam-panaintainana;
hiolanolana toy ny vehivavy miteraka izy;
sady hifampijery samy hitanàka foana eo;
ary hivoaramena hoatra ny afo ny tarehiny!
9Indro tonga ny andron’i Iaveh,
andro fahalozàna, fahavinirana
sy firehetam-pahatezerana,
hampanjary ny tany ho efitra,
sy handringana ny mpanota eo.
10Fa ny kintan’ny lanitra, sy antokon-kintany,
tsy handefa ny fahazavany hamirapiratra,
ny masoandro hihamaizina eo amin’ny fiposahany,
ary ny volana tsy handefa ny fahazavany.
11Hosaziko izao tontolo izao noho ny faharatsiany;
ary ny ratsy fanahy noho ny helony;
hataoko mitsahatra ny fiandranandran’ny mpirehareha;
ary haetriko ny avonavon’ireo mpanjaka manao jadona.
12Hataoko mahalana mihoatra noho ny volamena madio, ny olombelona;
mahalana mihoatra noho ny volamena avy any Ofira.
13Noho izany, ny lanitra hampangovitiko;
ary ny tany hohozongozonina hiala amin’ny fitoerany,
azon’ny haviniran’i Iavehn’ny tafika,
amin’ny andro hirehetan’ny fahatezerany.
14Amin’izany ny olona tahaka ny gazela enjehina,
tahaka ny biby fiompy tsy misy mpamory,
dia samy hitodika ny fireneny avy,
sy handositra ho any amin’ny taniny.
15Izay hita rehetra ho voagorobaka,
izay voasambotra rehetra ho lavon’ny sabatra.
16Ny zanany madinika homontsanina eo imasony,
ny tranony hobaboina ary ny vadiny hosavihina.
17Indro hatsangako hamely azy ireo ny Meda,
izay tsy mandala volafotsy, tsy maniry volamena.
18Ny tsipìkany handripaka ny zatovo;
ny naloaky ny kibo, tsy hananany antra;
ny zaza tsy hiantran’ny masony.
19Ary i Babilôna, ilay ravaky ny fanjakana maro,
haingon’ny Kaldeanina be rehareha,
dia hanahaka an’i Sôdôma sy i Gômôra
izay noravan’Andriamanitra.
Tsy hisy mponina intsony ao aminy,
20ary tsy honenana intsony amin’ny taona mifandimby izy;
ny Arabo tsy hanangan-day eo;
ary ny mpiandry biby tsy hametraka biby fiompy am-bala eo.
21Fa ny bibidia eny an’efitra no hanao ny lavany eo,
ny vorondolo no hameno ny tranony;
ny ostritsa no honina any,
ary ny satira no hifalihavanja eo.
22Ny amboadia no hierona ao an-dapany lao;
ary ny alikadia ao an-trano firavoravoany.
Efa antomotra ny fotoany,
ary tsy hohalavaina ny androny.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.