Eksaody 19 - Malagasy Catholic Bible

3FANEKEM-PIHAVANANA TAO SINAIA1. NY FANEKEM-PIHAVANANA SY NY DIDY FOLONy nahatongavana tao Sinaia.

1Tamin’ny volana fahatelo aorian’ny nivoahany tany Ejipta, tamin’izany andro izany, no nahatongavan’ny zanak’i Israely tany an’efitr’i Sinaia.

2Efa niala tany Refidima izy; ary nony tonga tamin’ny efitr’i Sinaia, dia nitoby tao an’efitra; tandrifin’ny tendrombohitra no nitobian’i Israely.

Fampanantenana ny fanekem-pihavanana.

3Niakatra ho ao amin’Andriamanitra i Môizy, dia nantsoin’i Iaveh tao antampon-tendrombohitra izy, ka nilazany hoe: «Izao no holazainao amin’ny taranak’i Jakôba sy hambaranao amin’ny zanak’i Israely:

4Hitanareo ny nataoko tamin’i Ejipta, sy ny nitondrako anareo tamin’ny ela-boromahery, ary ny nitarihako anareo ho atỳ amiko.

5Koa ankehitriny, raha mihaino ny feoko ianareo, sy mitandrina ny fanekeko dia ho vahoakako manokana eo amin’ny firenena rehetra, satria Ahy ihany ny tany rehetra,

6fa ianareo no fanjakà-mpisorona sy firenena masina ho Ahy. Izany no teny holazainao amin’ny zanak’i Israely.»

7Tonga i Môizy dia niantso ny loholon’ny vahoaka; noborahiny teo anatrehan’izy ireo avokoa ireo teny ireo, araka ny nandidian’Iaveh azy.

8Ka indray namaly ny vahoaka nanao hoe: «Hataonay avokoa izay rehetra voalazan’i Iaveh.» Dia lasa i Môizy nitondra ny tenin’ny vahoaka tany amin’i Iaveh.

Fanomanana ny Fanekem-pihavanana

9Ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Indro fa hankeo aminao ao anatin’ny rahona matevina Aho, mba ho ren’ny olona rehefa miteny aminao Aho, dia hinoany anao mandrakariva koa.» Ary nolazain’i Môizy tamin’i Iaveh ny tenin’ny vahoaka.

10Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mandehana mankany amin’ny vahoaka, ka hamasino izy anio sy ampitso, ary asaovy sasàny ny fitafiany.

11Aoka ho voaomana amin’ny andro fahatelo izy, fa hidina eo an-tampon’ny tendrombohitra Sinaia, eo imason’ny vahoaka rehetra i Iaveh, amin’ny andro fahatelo.

12Asio faritra manodidina ka lazao hoe: Tandremo mba tsy hiakatra ny tendrombohitra ianareo, na hikasika ny sisiny akory, fa hatao maty izay mikasika ny tendrombohitra, na iza na iza.

13Tsy hokasihin-tanana io, fa hotoraham-bato na hotrobarana ny zana-tsipîka: na biby na olona izy tsy azo velomina. Rehefa maneno ny trômpetra dia hiakatra ho eo an-tendrombohitra izy ireo.»

14Dia nidina avy any an-tendrombohitra i Môizy nankeo amin’ny vahoaka ka nanamasina azy, ary nanasa ny fitafiany izy ireo.

15Nony vita izany dia hoy izy tamin’ny vahoaka: «Aoka ho voaomana ao anatin’ny hateloana ianareo; aza mikasi-behivavy».

Fisehoan’Andriamanitra.(Deter 4,10-12; 5,2-5, 25-30)

16Nony marainan’ny andro fahatelo, dia nisy kotroka aman-tsela-baratra ary rahona matevina tao an-tendrombohitra, ary nisy feon’ny anjomara mafy nitatatata, ka tera-kovitra ny vahoaka rehetra teo an-toby.

17Nentin’i Môizy nivoaka ny toby ny vahoaka, handeha hihaona amin’Andriamanitra; dia teo ampototry ny tendrombohitra izy ireo no nijanona.

18Nivoa-tsetroka ny tendrombohitra Sinaia manontolo, satria tanaty afo no nidinan’i Iaveh nankeo amboniny, ka nipololotra toy ny avy amin’ny lafaoro lehibe ny setroka, ary nihovotrovotra iray ihany ny tendrombohitra manontolo.

19Nihamafy nihamafy ihany ny feon’anjomara. Ary niteny i Môizy, ka namaly feo azy Andriamanitra.

20Nidina i Iaveh nankeo an-tendrombohitra Sinaia, dia teo an-tampon’ny tendrombohitra izany; ary i Iaveh niantso an’i Môizy ho eo an-tampon’ny tendrombohitra, dia niakatra i Môizy.

21Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Midìna ka rarao mafy ny vahoaka tsy hihoatra ny faritra mankatỳ amin’i Iaveh mba hijery, fandrao hahafatesana maro izy.

22Na ny mpisorona manatona an’i Iaveh aza, aoka hanamasin-tena fandrao vonoin’i Iaveh».

23Dia hoy i Môizy tamin’i Iaveh: «Tsy hahazo miakatra ny tendrombohitra Sinaia ny vahoaka, satria efa voararanao mafy izahay nilazanao hoe: Asio faritra manodidina ny tendrombohitra ka hamasino izy».

24Ary hoy i Iaveh taminy: «Mandehana midina aloha, izay vao hiakatra indray miaraka amin’i Aarôna: fa ny mpisorona sy ny vahoaka, aoka tsy hihoatra ny faritra hankatỳ amin’i Iaveh fandrao vonoiny».

25Dia nidina nankeo amin’ny vahoaka i Môizy, nilaza izany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help