Ekleziastika 35 - Malagasy Catholic Bible

Ny lalàna sy ny sorona

1Ny mitandrina ny lalàna, dia manao fanatitra maro,

2ary ny miraikitra amin’ny didy,

dia manolotra sorom-pihavanana.

3Ny misaotra dia manao fanatitra lafarina tsara indrindra;

4ary ny manao famindram-po, dia manatitra sorona fiderana.

5Ny ankasitrahin’ny Tompo, dia ny manalavitra ny ratsy;

ny mahazo famelan-keloka aminy, dia ny mandositra ny tsy marina.

6Kanefa aza miseho foan-tanana eo anatrehan’ny Tompo ianao,

7fa noho ny didy no tsy maintsy hanaovana ireny fanatitra ireny.

8Manatavy ny ôtely ny fanatitra marina;

ary miakatra eo anatrehan’ny Tompo ny fofony manitra.

9Mahafinaritra ny soron’ny olo-marina;

ary tsy ho very tadidy ny fahatsiarovana an’izany.

10Manomeza voninahitra ny Tompo, amin’ny fo mahafoy be;

ary aza anesorana akory ny voaloham-bokatry ny tananao.

11Amin’ny fanatitra rehetra, aoka ho mirana endrika ianao,

ary atokany amim-piravoravoana ny fahafolon-karenao.

12Manomeza voninahitra ny Avo Indrindra araka izay nomeny anao,

amin’ny fo mahafoy be, araka izay azon’ny tananao.

13Fa manome valy ny Tompo,

ka hamerina impito hoatry ny nataonao.

Manao ny rariny Andriamanitra

14Aza mitady hanangoly azy amin’ny fanatitra,

fa tsy horaisiny akory izany,

15ary aza miantehitra amin’izay fanatitra tsy marina;

fa mpitsara ny Tompo,

ary tsy mijery izay filaharam-piambonian’ny olona akory Izy.

16Tsy mizaha tavan’olona hamono antoka ny mahantra Izy,

ary mihaino ny vavak’izay ampahorîna.

17Tsy mba ataony tsy ho zavatra ny kamboty mitalaho,

na ny mpitondratena mamboraka ny fitarainany aminy.

18Tsy mirotsaka eo amin’ny takolany va ny ranomason’ny mpitondratena,

19ary moa tsy mipoaka ny fidradradradrany

mamely an’izay mampitomany azy?

20Horaisina tsara izay manaja an’Andriamanitra

araka ny fomba ankasitrahiny,

ary tafasondrotra hatrany amin’ny rahona ny fivavahany.

21Maninteraka ny rahona ny vavaky ny manetry teny,

fa tsy hionona izy, raha tsy tonga amin’Andriamanitra izany;

tsy hitsahatra izy, raha tsy efa nojeren’ny Avo Indrindra;

dia hitsara araka ny rariny ny Tompo, ka hamoaka fitsarana.

22Tsy hampiandry akory ny Tompo,

tsy handefitra intsony Izy, amin’ny mpampahory;

mandra-panorotorony ny valahan’ireo olona tsy miantra ireo,

23sy hanaovany famaliana ny firenena;

mandra-pandringany ny ankamaroan’ireo mpiteny ratsy an’Andriamanitra,

sy hanapatapahany ny tehim-panjakan’ny mpankahala fivavahana;

24mandra-pamaliny ny olona, araka ny asany,

sy hamaliany ny asan’ny olona araka ny heviny;

25mandra-pandrainy eo an-tanany ny adin’ny vahoakany,

sy hampifaliany azy amin’ny famindram-pony.

26Tsara tamin’ny fotoana nampahoriana an’i Israely ny famindram-po,

toy ny rahona mitondra orana, amin’ny fotoana main-tany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help