1Nisy zanak’i Akaba fitopolo lahy tany Samaria, ka nanoratra taratasy i Jehò nampitondrainy tany Samaria ho an’ny lehiben’i Jezrahela, dia ny loholona, ary ho an’ny tonian’ny fikarakarana ny zanak’i Akaba, ary izao no teniny:
2«Raha vao tonga atỳ aminareo ity taratasy ity, - satria mbola eo aminareo ny zanaky ny tomponareo, eo aminareo koa ny kalesy aman-tsoavaly mbamin’ny tanàna mimanda sy ny fiadiana,
3dia zahao izay tsara sy mety indrindra amin’ny zanaky ny tomponareo ka apetraho ao amin’ny seza fiandrianan-drainy, ary miadia ho an’ny tranon’ny tomponareo.»
4Fa raiki-tahotra mafy izy ireo, ka nilaza hoe: «Indro fa mpanjaka roa aza tsy nahatohitra azy, ka hataontsika ahoana no fanohitra?»
5Dia naniraka olona ny lehiben’ny tao an-dapa, ny komandin’ny tanàna, ny loholona mbamin’ny toniany, hilaza amin’i Jehò hoe: «Mpanomponao izahay, ka izay rehetra holazainao no hataonay, fa tsy hanangana olona ho andriana izahay na iza na iza; izay sitraky ny fonao no ataovy.»
6Dia nanoratra taratasy fanindroany ho any amin’izy ireo i Jehò nanao hoe: «Raha momba ahy sy mihaino ny feoko ianareo, alao ny lohan’ireo lehilahy, zanaky ny tomponareo, ka tongava atỳ amiko atỳ Jezrahela rahampitso toy izao.» Tao amin’ny lehiben’ny tanàna, izay nitaiza azy, izy fitopolo lahy, zanaky ny mpanjaka.
7Ka nony tonga tany amin’izy ireo ny taratasy, novonoiny avokoa izy fitopolo lahy, ary nataony an-tsobiky ny lohany, dia nalefany ho any amin’i Jehò, tany Jezrahela.
8Dia nampandre azy izany ny iraka, nanao hoe: «Nentiny ny lohan’ny zanaky ny mpanjaka»; ka hoy izy: «Ataovy roa toko mifanongoa ao anoloan’ny vavahady izany, mandra-pahamarain’ny andro.»
9Nony maraina, dia nivoaka izy ary niseho teo anatrehan’ny vahoaka rehetra izy nanao hoe: «Marina ianareo; indreo fa nikomy tamin’ny tompoko aho sy namono nahafaty azy, fa iza kosa no namono an’ireto rehetra ireto?
10Aoka ho fantatrareo àry fa tsy hisy raraka an-tany ny tenin’i Iaveh, izay notononin’i Iaveh ny amin’ny taranak’i Akaba, ary notanterahin’i Iaveh izay nolazainy tamin’ny alalan’i Elia mpanompony.»
11Dia novonoin’i Jehò avokoa izay sisa rehetra tamin’ny tranon’i Akaba, tao Jezrahela, na ny olom-baventiny rehetra, na ny havany ama-mpisorony rehetra, ka tsy nasiany niangana na dia iray aza.
Ny namongorana ny andriana teo amin’i Jodà(Jereo 2Tan 22,8)12Raha efa izany dia nitsangana izy ary niainga nankany Samaria. Nony mby teo amin’ny trano anankiray fivorian’ny mpiandry ondry teny an-dalana izy,
13dia nahita ireo rahalahin’i Okoziasa i Jehò ka nanao hoe: «Iza ianareo?» Ary hoy ny navalin’ireo: «Rahalahin’i Okoziasa izahay, ary midina hamangy ny zanaka lahin’ny mpanjaka, sy ny zanaka lahin’ny andriambavy.»
14Ka hoy i Jehò: «Ataovy sambo-belona ireo.» Dia nataony sambo-belona ireo, ka novonoiny tao an-davaka famorian-dranon’ilay trano fivoriana; 42 lahy no isany, ary tsy nasian’i Jehò niangana ireo na dia iray aza.
I Jehò sy i Jônadaba15Nony niala teo izy, dia nifanena tamin’i Jônadaba, zanak’i Rekaba, izay tonga hitsena azy, ka niarahaba azy sy nanao taminy hoe: «Mba tsotra tahaka izany foko aminao izany va ny fonao?» Dia namaly i Jônadaba hoe: «Izany indrindra.» «Raha izany àry», hoy i Jehò, «tolory tanana aho.» Dia natolotr’i Jônadaba azy ny tanany, ka nasain’i Jehò niakatra ho eo anilany teo ambony kalesy izy, nataony hoe:
16«Andeha hiaraka amiko, ary ho hitanao ny zotom-poko ho an’i Iaveh.»
17Dia toy izany no nitondrany azy teny amin’ny kalesiny. Nony mby tany Samaria, dia novonoin’i Jehò avokoa izay tamingan’i Akaba sisa rehetra, ka nataony fongotra mihitsy araka ny tenin’i Iaveh nolazainy tamin’i Elia.
Ny namongorana ny mpino an’i Baala sy nandravana ny tempoliny18Nony efa izany, nivorin’i Jehò ny vahoaka rehetra, ka hoy izy taminy: «Kely no nanompoan’i Akaba an’i Baala, fa fatratra no hanompoan’i Jehò azy.
19Koa ankehitriny vorio hankatỳ amiko avokoa ny mpaminanin’i Baala rehetra sy ny mpanompony rehetra, ary ny mpisorony rehetra: aza misy tsy tonga na dia iray aza, fa hanatitra sorona lehibe amin’i Baala aho, ka tsy hovelomina izay tsy tonga na iza na iza.» Kanjo hafetsena no nanaovan’i Jehò izany, handringanana ny mpanompon’i Baala. Hoy i Jehò:
20«Lazao ampahibemaso fa hisy fivoriana manetriketrika hankalazana an’i Baala.» Dia nolazaina ampahibemaso izany.
21Nandefa iraka tany amin’i Israely rehetra i Jehò, ka tonga avokoa ny mpanompon’i Baala rehetra tsy nisy nijanona ka tsy tonga, na dia iray aza. Niditra tao an-tranon’i Baala izy ireo, ka feno ny tranon’i Baala hatrany aloha ka hatrany aoriana.
22Ary hoy i Jehò tamin’ny mpiambina ny trano fitahirizana akanjo: «Amoahy akanjo avokoa ny mpanompon’i Baala rehetra.» Dia namoaka akanjo ho azy ireo izy.
23Ary tamin’izay dia tonga tao an-tranon’i Baala i Jehò niaraka tamin’i Jônadaba zanak’i Akaba, ka hoy izy tamin’ny mpanompon’i Baala: «Karohy ary zahao, mba tsy hisy mpanompon’i Iaveh ato aminareo, fa ny mpanompon’i Baala ihany.»
24Rehefa tafiditra izy ireo hanatitra sorona sy sorona dorana, dia nametraka valopolo lahy tao alatrano Akora i Jehò nanao hoe: «Raha misy olona mitsoaka amin’ireo olona apetrako eo an-tananareo ireo, dia hisolo aina azy izay nandefa azy.»
25Vao tapitra ny fanaterana ny sorona dorana, dia hoy i Jehò tamin’ireo mpihazakazaka sy manamboninahitra: «Midira, vonoy ireo, ka aza asiana iray tafavoaka!» Dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra ireo; narian’ny mpihazakazaka sy ny manamboninahitra teo ireo; dia niditra tao amin’ny fitoerana masin’ny tranon’i Baala izy,
26ka navoakany nodorana ny tsangam-bato tao an-tranon’i Baala,
27nomontsamontsaniny ny tsangam-baton’i Baala ary nazerany koa ny tranon’i Baala ka nataony trano fivoahana ka mbola tao mandrak’androany.
Ny nanjakan’i Jehò tamin’i Israely (841-814)28Nofongoran’i Jehò ao amin’i Israely i Baala.
29Nefa tsy niviliany nialany ny fahotan’i Jerôbôama zanak’i Nabata izay nampanota an’i Israely, na ny zanak’omby volamena izay tao Betela sy ao Dana.
30Ary hoy i Iaveh tamin’i Jehò: «Noho ianao nanatanteraka tokoa izay mahitsy eo imasoko sy nanao tamin’ny tranon’i Akaba araka izay rehetra tao am-poko, ny zanakao hatramin’ny taranaka fahefatra kosa, dia hitoetra eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely.»
31Tsy notandreman’i Jehò anefa ny handeha amin’ny fony rehetra araka ny lalàn’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, fa tsy niala tamin’ny fahotan’i Jerôbôama izay nampanota an’i Israely izy.
32Tamin’izany andro izany no niantombohan’ny nanabangan’i Iaveh ny tanin’i Israely. Noresen’i Hazaela hatraiza hatraiza ny Israelita tamin’ny sisin-tanin’i Israely;
33hatrany Jordany any amin’ny fiposahan’ny masoandro, dia ny tany Galaada rehetra, ny Gadita, ny Robenita, ny Manasita, hatrany Arôera, amin’ny ranon-driaka Arnôna, ka hatrany Galaada sy Basàna.
34Ny sisa amin’ny asan’i Jehò mbamin’izay rehetra nataony sy ny herim-pony nasehony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?
35Ary nody mandry any amin’ny razany i Jehò ka nalevina tao Samaria.
36I Jôakaza zanany no nanjaka nandimby azy. 28 taona no andro nanjakan’i Jehò tamin’i Israely tany Samaria.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.