1Nampitazanin’i Iaveh aho, ka indreto aviavy roa harona voapetraka teo anoloan’ny Tempolin’i Iaveh; ny nahatongavan’izany, dia taorian’ny nitondran’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, an’i Jekôniasa zanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà, ny lehiben’i Jodà, ny mpandrafitra ama-mpanefy vy, avy ao Jerosalema ho babo any Babilôna.
2Ny iray tamin’ireo harona ireo, nisy aviavy tsara dia tsara, toy ny aviavy vokatra voalohany; ny iray kosa, nisy aviavy ratsy dia ratsy, tsy azo hanina akory noho ny haratsiany loatra.
3Ary hoy i Iaveh tamiko: «Inona no hitanao, ry Jeremia?» Dia hoy ny navaliko azy: «Aviavy; ka ny aviavy tsara moa, tsara dia tsara; ny ratsy kosa, ratsy dia ratsy, tsy azo hanina akory noho ny haratsiany loatra.»
4Dia tonga tamiko ny tenin’i Iaveh manao hoe:
5«Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely:
Tahaka ny fijery an’ireto aviavy tsara ireto
no ho fijeriko amim-pitiavana ny voababo amin’i Jodà,
izay nalefako avy amin’ity fitoerana ity,
ho any amin’ny tanin’ny Kaldeanina.
6Hitsinjo azy ireo ny masoko hanasoa azy,
ka hampodiko ho amin’ity tany ity;
haoriko izy, ka tsy horavako intsony;
hamboleko izy, ka tsy hongotako intsony.
7Homeko fo hahalalany Ahy izy,
hahafantarany fa i Iaveh Aho;
ary ho Andriamaniny Aho; ho vahoakako izy;
satria hiverina amiko amin’ny fony rehetra izy.
8Ary toy ny ataon’ny olona amin’ireo aviavy ratsy ireo,
izay tsy azo hanina akory, noho ny haratsiany loatra,
- izao no tenin’i Iaveh -
no hataoko amin’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà,
ny mpanapaka mbamin’izay sisa any Jerosalema,
ireo izay mitoetra amin’ity tany ity,
ary ireo monina any amin’ny tany Ejipta.
9Hataoko zavatra mahatsiravina sy loza izy ireo,
any amin’ny fanjakana rehetra amin’ny tany,
ho fandatsa ho ambentinteny, ho fihomehezana, ho fanozonana,
any amin’ny tany rehetra handroahako azy.
10Ary ny sabatra, ny mosary, ny pesta
dia hirahiko hanjò azy,
mandra-paharingana azy ireo tsy ho eo amin’ny tany,
izay nomeko azy sy ny razany.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.