Jenezy 22 - Malagasy Catholic Bible

Ny nanaovana sorona an’i Isaaka

1Taorian’izany, nizaha toetra an’i Abrahama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Ry Abrahama ô!» Ary hoy izy: «Inty aho.»

2Dia hoy Andriamanitra: «Ento ny zanakao, ilay lahy tokanao, ilay tianao, dia i Isaaka, ka mankanesa any amin’ny tany Moria, ary rehefa mby any, atero izy ho sorona dorana eo ambonin’ny anankiray amin’ny tendrombohitra hatoroko anao.»

3Nifoha maraina koa i Abrahama, nanisy lasely ny ampondrany, naka roa lahy tamin’ny mpanompony hiaraka aminy, sy i Isaaka zanany, ary namaky ny hazo hataina amin’ny sorona dorana, dia niainga nankany amin’ny tany efa nolazain’Andriamanitra azy.

4Nony tamin’ny andro fahatelo, nanopy ny masony i Abrahama ka mbola lavitra ihany izy dia nahatazana ilay fitoerana,

5dia nilaza tamin’ireto mpanompony i Abrahama nanao hoe: «Mijanòna eto amin’ny ampondra ianareo, fa izaho sy ny zaza dia mikasa ho erỳ hivavaka, vao hiverina eto aminareo indray.»

6Dia nalain’i Abrahama ny hazo hataina amin’ny sorona dorana, ka natataony an’i Isaaka zanany, ary ny afo sy ny antsy kosa nentiny teny an-tanany, dia niara-nandeha izy mianaka. Fa hoy i Isaaka tamin’i Abrahama rainy:

7«Dada ô!» Ka hoy ny navaliny: «Inty aho, anaka.» Dia hoy i Isaaka: «Ny afo sy ny kitay ireto dia efa eto, fa izay zanak’ondry hatao sorona dorana kosa no aiza?»

8Hoy ny navalin’i Abrahama: «Hataon’Andriamanitra izay hahitana ny zanak’ondry hatao sorona dorana, anaka.» Dia niara-nandeha izy mianaka.

9Nony tonga teo amin’ny fitoerana natoron’Andriamanitra azy izy, dia naorin’i Abrahama teo ny ôtely; nalahany ny kitay hazo, ary nafatony i Isaaka zanany, ka napetrany tambonin’ny ôtely eo ambonin’ny kitay.

10Dia naninjitra ny tanany i Abrahama ka nandray ny antsy hamonoana ny zanany.

11Tamin’izay niantso tany an-danitra ny Anjelin’i Iaveh nanao hoe: «Ry Abrahama! Ry Abrahama ô!» ka hoy ny navaliny: «Inty aho.»

12Dia hoy ny Anjely: «Aza manainga ny tananao hamely ny zaza, ary aza maninomaninona azy akory, fa efa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao, sady tsy nandà ianao fa nahafoy ny zanakao, ilay lahitokanao ho Ahy.»

13Ary nanopy maso i Abrahama, ka nahita ondralahy anankiray teo ivohony, voasingazotry ny kirihitr’ala tamin’ny tandrony; dia lasa i Abrahama naka ilay ondralahy, ka io no nateriny ho sorona dorana ho solon’ny zanany.

14Ary nataon’i Abrahama hoe Iaveh-Iereh ny anaran’io fitoerana io. Ary avy amin’izany ilay fitenenan’ny olona mandraka androany hoe: Ho hita ihany izany any an-tendrombohitr’i Iaveh.

15Ary ny Anjelin’i Iaveh niantso an’i Abrahama fanindroany tany an-danitra, ka nanao hoe:

16«Efa nianiana tamin’ny tenako Aho, hoy i Iaveh, fa noho ianao nanao izany sy tsy nandà fa nahafoy ny zanakao, ilay lahy tokanao, ho Ahy,

17dia hanisy soa anao Aho, hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina, ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony.

18Amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao.»

19Dia niverina nankeny amin’ny mpanompony i Abrahama, ka niainga izy ireo dia niara-nandeha nankany Bersabea. Ary nonina tao Bersabea i Abrahama.

Ny taranak’i Nakôra

20Tatỳ aorian’izany, nisy nampandre vaovao tamin’i Abrahama dia izao: Efa nitera-dahy tamin’i Nakôra rahalahinao koa i Melkà,

21dia i Hosa lahy matoany, i Boza lahy aivo, i Kamoela rain’i Arama,

22i Kadesa, i Azao, i Feldasa, i Jedlafa ary i Batoela.

23I Batoela no rain-dRebekà. Izy valo lahy ireo no naterak’i Melkà tamin’i Nakôra rahalahin’i Abrahama.

24Ilay vaditsindranony atao hoe Ramà koa dia niteraka an’i Tabea sy i Gahama, ary i Toasy sy i Maakà.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help