1Tamin’ny taona faha-172, novorin’i Demetriosa mpanjaka ny miaramilany, dia nankany Media izy, haka miaramila mpanampy, hoentiny miady amin’i Trifôna.
2Nony ren’i Arsasa, mpanjakan’i Persa sy i Media, fa niditra ny faritaniny i Demetriosa, dia nirahiny hanao azy sambo-belona ny iray tamin’ireo jeneraliny.
3Dia roso io, ka ny tafik’i Demetriosa noreseny, ary ny tenany nosamboriny, ka nentiny ho any amin’i Arsasa, sy nataon’io an-tranomaizina.
4Nandry feizay ny tanin’i Jodà, nandritra ny andro rehetra nitondran’i Simôna. Nikely aina hampandroso ny vahoakany izy, ka nankasitrahin’ny vahoaka ny fahefana amam-boninahiny, tamin’izany andro rehetra izany.
5Tsy holazaina ny zavatra sasany nahazoany voninahitra fa izao ihany: nahazo an’i Jôpe izy hataony fitodian-tsambo, hifankahazoany amin’ireo nosin-dranomasina.
6Nampitatra ny sisin-tanim-pireneny izy, ka nahazo nizaka ny tany.
7Nahazo sambo-belona maro izy, nahafaka an’i Gazàra, i Betsora, ary ny trano mimanda, ka nesoriny avokoa ny loto tamin’ireo, ary tsy nisy olona nahatohitra azy.
8Ny olona samy niasa ny taniny amim-piadanana, ny tany namokatra ny vokany, ny hazo eny an-tsaha kosa, ny voany,
9ny anti-dahy nipetraka teo an-kianja, samy niresaka ny fandrosoan’ny tany avokoa, ny tovolahy nanao ny akanjo fitondra amin’ny ady ho haingo,
10i Simôna nizara hanina fitahiry any amin’ny tanàna, sy namonona izay ilaina rehetra ho fiarovana, hany ka nalaza hatrany am-para vazantany ny anarany be voninahitra.
11Naveriny amin’ny tanindrazany indray ny fiadanana, ka nifaly tamin-karavoana lehibe i Israely.
12Samy nipetrapetraka teny ambany voalobony aman’aviaviny avy ny olona.
13tsy nanam-pahavalo hamely azy ao amin’ny tany izy, ary resy avokoa ny mpanjaka fahavalony, tamin’izany andro izany.
14Tohan’ny mahantra rehetra teo amin’ny fireneny izy, niseho ho mazoto ho an’ny lalàna izy, ary namongotra ny mpankahala ny fivavahana sy ny ratsy fanahy rehetra koa.
15Nomeny voninahitra ny fitoerana masina, ary nampitomboiny ny fanaka masina.
Fanazavana ny fihavanan’i Sparta sy i Rôma16Nony re tany Rôma sy hatrany Sparta fa hoe, maty i Jônatasy, dia nalahelo mafy ry zareo tany.
17Ary nony fantany fa hoe i Simôna rahalahiny no mpisorona lehibe nandimby azy, sy nizaka ny tany rehetra mbamin’ny tanàna rehetra ao aminy,
18dia nanoratra ho any aminy, tamin’ny takela-barahina izy ireo, hanavao ny fanekem-pihavanana nataony tamin’i Jônatasy rahalahiny.
19Novakina teo anatrehan’ny fiangonana rehetra tany Jerosalema ny taratasy, ary izao no kôpian’ny nampitondrain’ny Sparsiata:
20«Ny lehiben’ny Sparsiata sy ny tanàna manoratra ho an’i Simôna mpisorona lehibe, ny loholona, ny mpisorona, ary ny vahoaka sisa Jody rahalahin’ireo: Arahaba!
21Voaresak’ireo ambasadaoro nalefa ho atỳ amin’ny firenenay, ny haja amam-boninahitra anananareo, sady nahafaly anay ny nahatongavan’izy ireo.
22Ary nosoratanay ho isan’ny teny ieram-bahoaka ny voalazan’izy ireo, dia izao: I Nomeniôsa zanak’i Antiôkosy, sy i Antipatera zanak’i Jasôna ambasadaoron’ny Jody, dia tonga tatỳ aminay hanavao ny fihavanany aminay.
23Ka sitraky ny vahoaka ny nandray an’ireo lehilahy ireo tamim-boninahitra, sy nametraka ny kôpian’ny lahateny, ao amin’ny fitahirizam-bokim-panjakana, mba hahatahirizan’ny vahoaka Sparsiata ny fahatsiarovana azy. Ary nasainay nosoratana ho any amin’i Simôna mpisorona lehibe izao kôpiany izao.»
24Tatỳ aorian’izany, nalefan’i Simôna ho any Rôma i Nomeniôsa nitondra ampinga volamena lehibe, lanjan’arivo mina, mba hahazo antoka ny fanekena amin’izy ireo.
Fanondrotam-boninahitra an’i Simôna25Nony nandre ireo zavatra ireo ny vahoaka, dia nanao hoe: «Inona no mariky ny fankasitrahana hatolotsika an’i Simôna sy ireo zanany?
26Fa samy naneho herim-po tsy mety ketraka, na izy, na ireo rahalahiny, na ny fianakavian-drainy: niady sy nanosika ny fahavalon’i Israely izy ireo, ary nanao izay hahazoany fahafahana.» Dia nosokirin’izy ireo tamin’ny takela-barahina izany zavatra izany, ka nahantony tamin’ny andry anankiray tao an-tendrombohitra Siôna izany;
27ary izao no kôpiany:
Tamin’ny andro faha-18n’ny volana Elola, taona faha-172, fahatelon’ny taona naha-mpisorona lehibe an’i Simôna, tao Saramela,
28tamin’ny fivorian-dehibe, nivorian’ny mpisorona mbamin’ny vahoaka, ny lehiben’ny firenena ary ny loholon’ny tany, dia navoaka ampahibemaso izao:
Tamin’ireo ady maro natao teto amin’ny tanintsika,
29i Simôna zanak’i Matatiasa amin’ny taranak’i Jariba, mbamin’ireo rahalahiny, dia nanao vy very ny ainy, sy nanohitra ireo fahavalon’ny firenena, mba hijoroan’ny fitoerana masina mbamin’ny lalàna, ary nampahazo voninahitra lehibe ny fireneny izy ireo.
30I Jônatasy namory ny fireneny sy tonga mpisorona lehibe tao amin’izy ireo, vao nangonina ho any amin’ny vahoakany.
31Dia nitady hanitsaka sy hanafoana ny taniny ireo fahavalony, sady haninji-tanana amin’ny fitoerana masina.
32Fa nitsangana tamin’izay kosa i Simôna niady hiaro ny fireneny; vola aman-karenan’ny tenany betsaka no nolanîny namononana fiadiana ho an’ny lehilahy mahery teo amin’ny fireneny sady nomeny karama izy ireo.
33Nohamafisiny ny tanànan’i Jodea mbamin’i Betsora miorina eo amin’ny sisin-tany izay nisy ny fiadian’ny fahavalo taloha, dia nametrahany miaramila Jody.
34Nohamafisiny i Jôpe, miorina eo amoron-dranomasina, sy i Gazàra eo amin’ny sisin-tanin’i Azota, nonenan’ny fahavalo teo aloha: dia Jody no namponeniny tao, sy namononany ny zavatra rehetra ilainy hiarenany indray.
35Nony hitan’ny vahoaka ny nataon’i Simôna sy ny voninahitra kendreny ho azon’ny fireneny, dia natsangany ho lehibeny sy ho mpisorona lehibe izy, noho ny zavatra rehetra namonjeny ny fireneny, noho izy nanao ny marina sy niraiki-po tamin’ny fireneny, ary noho izy nanao izay tratra amin’izay rehetra azo natao hanandratra ny fireneny.
36Raha mbola velona koa izy, vanona avokoa ny zavatra teo an-tanany, vitany hatramin’ny nandroaka ny firenen-kafa teo amin’ny tany izay nonenany, mbamin’ireo izay teo amin’ny tanànan’i Davida tao Jerosalema, izay efa nahavita trano mimanda, ka nivoaka avy ao nandoto ny manodidina ny fitoerana masina sy nametaveta fatratra ny fahamasinany.
37Nametrahany Jody mpiandry mahery tao, sy nohamafisiny koa, mba ho azo antoka ny fiarovana ny tany sy ny tanàna, ary nasondrony ny mandan’i Jerosalema.
38Noho izany, notapahin’i Demetriosa mpanjaka fa izy no ho mpisorona lehibe,
39notondroiny ho sakaizany izy, ary nomeny voninahitra ambony.
40Satria reny fa hoe ny Rômanina dia niantso ny Jody ho sakaiza aman-kavana ary rahalahy, sady nandray tamim-panajana ny irak’i Simôna.
41Ka dia sitraky ny Jody sy ny mpisorona ny haha-mpanapaka sy mpisorona lehibe mandrakariva an’i Simôna mandra-pisehon’izay mpaminany mendrika hinoana;
42ka dia izy no hifehy ny tafik’izy ireo, hikarakara ny zava-masina, hanendry ny lehibe amin’ny raharaham-panjakana izay hitondra ny tany sy hitandrina ny fiadiana ary hiaro ny trano mimanda;
43izy no hikarakara ny zava-masina; hanaiky azy ny olona rehetra ary ny raharaham-panjakana rehetra amin’ny tany hosoratana amin’ny anarany, ary hitondra akanjo jaky sy volamena izy.
44Na iza na iza amin’ny vahoaka, na amin’ny mpisorona, tsy misy mahazo mitsipaka amin’ireo zavatra vao voalaza ireo, na dia iray aza, na manohitra ny didy omeny, na dia iray aza, na miantso fivoriana eo amin’ny tany, na dia iray aza, raha tsy nomeny lalana; na mitondra akanjo jaky aman-jaigrafy volamena.
45Na iza na iza manao zavatra mifanohitra amin’izany, na mandika ny sasany aminy, ho voaheloka hosazina.
46Sitraky ny vahoaka ny hanomezana fahefana an’i Simôna hanao araka izany didy izany.
47Neken’i Simôna izany, nankasitrahiny tsara ny hanao ny raharahan’ny mpisorona lehibe, lohan’ny tafika, mpanapaka ny Jody mbamin’ny mpisorona, ary hanao ny raharahan’ny mpifehy ambony indrindra.
48Dia tapaka fa hosoratana amin’ny takela-barahina izany teny izany, ka hapetraka amin’ny lalan-tsara ao amin’ny tempoly amin’ny fitoerana miharihary;
49ary hasiana kôpian’izany koa ao amin’ny efitrano firaketana mba hoentin’i Simôna sy ny zanany amin’izay ilany azy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.