1Nony afaka hateloana dia nisy fampakaram-bady tany Kanà any Galilea, ary tao ny Renin’i Jesoa.
2I Jesoa sy ny mpianany koa dia nasaina tao amin’ny fampakaram-bady.
3Nony inona, lany ny divay, ka hoy ny Renin’i Jesoa taminy: «Tsy manan-divay izy ireo.»
4Ary hoy i Jesoa taminy: «Izaho sy ianao moa no ahoana amin’izany, ravehivavy? Tsy mbola tonga ny fotoako.»
5Dia hoy ny Reniny tamin’ny mpanompo: «Ataovy izay rehetra holazainy aminareo.»
6Ary nisy siny vato enina teo, fidiovana araka ny fanaon’ny Jody, nahalany rano indroa na intelon’ny famarana avy,
7ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo: «Fenoy rano ireo siny ireo.» Dia nofenoiny hatramin’ny molony.
8Ary hoy i Jesoa taminy: «Tovozy amin’izao, ka ento amin’ny mpandahatra ny fanasana.» Dia nentiny.
9Vao nanandrana ny rano voaova ho divay ny mpandahatra ny fanasana (izay tsy nahalala ny niaviany, fa ny mpanompo nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra
10ka nanao taminy hoe: «Ny an’ny olona rehetra, dia ny divay tsara no arosony aloha, ary rehefa nisotro be ny olona vao arosony izay tsy tsara loatra; fa ny anao kosa, dia ny divay tsara indray no notahirizinao mandraka ankehitriny.»
11Izany nataon’i Jesoa tany Kanà any Galilea izany no santatry ny famantarana nataony; naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany.
12Ary rehefa afaka izany, dia nidina nankany Kafarnaoma Izy sy ny Reniny mbamin’ny rahalahiny sy ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela tao izy ireo.
B. FANKALAZANA NY PAKANy nanadiovana ny Tempoly(Jereo Mt 21,12-13; Mk 11,11, 15-17; Lk 19,45-46)13Ary akaiky ny Pakan’ny Jody, ka niakatra tany Jerosalema i Jesoa.
14Hitany tao anatin’ny Tempoly ny mpivarotra omby aman’ondry sy voromahailala ary ny mpanakalo vola nipetraka tao,
15ka nanao kotopia tamin’ny tady madinika Izy, dia nandroaka azy rehetra mbamin’ny omby aman’ondry hiala amin’ny Tempoly; nararany ny volan’ny mpanakalo vola, nazerany ny latabatra,
16ary hoy Izy tamin’izay nivaro-boromahailala: «Esory eto ireo; fa aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko.»
17Dia tsaroan’ny mpianany fa efa voasoratra hoe:
«Ny fitiavako ny tranonao no maharîtra ny aiko.»
18Fa niteny kosa ny Jody ka nanao taminy hoe: «Inona no famantarana asehonao aminay no manao toy izao Ianao?»
19Dia namaly azy i Jesoa nanao hoe: «Ravao ity tempoly ity, fa hatsangako indray amin’ny hateloana.»
20Ka hoy ny Jody: «Enina amby efapolo taona no nanaovana ity Tempoly ity, ka Ianao ve dia hanangana azy indray amin’ny hateloana e?»
21Ny Vatany anefa no Tempoly nolazainy.
22Ary nony tafatsangan-ko velona Izy, dia tsaroan’ny mpianany fa voalazany izany, ka nino ny Soratra Masina sy ny teny voalazan’i Jesoa izy ireo.
Ny nijanonana tao Jerosalema23Raha mbola tany Jerosalema Izy tamin’ny fetin’ny Paka, dia maro no nino ny Anarany, fa nahita ny fahagagana nataony;
24nefa tsy natoky azy ireo i Jesoa, satria nahalala azy rehetra Izy.
25sady tsy mba nila olona hilaza aminy ny amin’ny olona Izy, fa ny Tenany ihany dia nahalala izay ao am-pon’ny olona.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.